TSY MBOLA ZAKANTSIKA MALAGASY MIHITSY VE IZANY FAHAMARINANA IZANY
Ny olona mahavita mampanantena zavatra tsy hisy sy mandainga no tena tian’ny Malagasy ‚ fahavalony sy ilainy vanina mihitsy izay milaza ny MARINA hany ka manjaka ny LAINGA ary iny no tena inoan’ny Malagasy sasany izay tsy tehandinika lalina na hamakafaka fa zatra toloram-potsiny ‚ hoy olon-kendry iray naneho ny heviny . Oh : Soratako aminao io lanitra io mba ho fanomezana nohon’ny fitiavako anao ‚ babo ny fon-dravehivavy sasany mandre izany kanefa zavatra tsy hohisy mandrakizay izany… ; Oh : Mba tokony hanadio vatana sy hanala volom-baliketika ianao rahalahy na ranambavy na rahavavy fa betsaka ireo namantsika mimenomenona sy mitaraina izany rehefa tonga ianao… Oh : Mba ilaina ihany ilay miborosy nify rehefa mivoaka ny trano ry zalahy sady fahasalamana no fanajana ny tena sy ny hafa… ( Misy tena tezitra mafy ilazana izany ary mety hiafara amin’ny fisarahana eo amin’ny samy mpinamana mihitsy aza indraindray raha tsy mitandrina amin’ny firesahana azy ) . Tsy tehiresaka ny raharaham-pirenena na ny zava-misy ankehitriny aloha aho hatreto satria manam-potoana ny zava-drehetra fa azo ampifandraisina tsara manoloana ny zava-misy eo amin’ny Fiarahamonina sy ny raharaham-pirenena ankehitriny izany ka tokony samy handray fanapahan-kevitra tandrify ny tsirairay.
Ny tiako atongavana dia izao ‚ fantaro ny marina ‚ ny rariny ‚ ny hitsiny manoloana ny zava-misy ‚ izay vao maneho hevitra na mandray fanapahan-kevitra manoloana izany raha ilaina fa efa fantatr’ireo mpanasa ati-doha fa indrindra ireo mpanao politika ny fahalementsika Malagasy ka araraotiny mba afahany mitaingina sy manandevo atsika ankolaka.