a
FandraisanaVaovaom-paritraANTSOHIHY : ENTANA HALATRA MARO▪️SARONA TAO AN-TRANON’NY PASITERA

ANTSOHIHY : ENTANA HALATRA MARO▪️SARONA TAO AN-TRANON’NY PASITERA

ANTSOHIHY : ENTANA HALATRA MARO▪️SARONA TAO AN-TRANON’NY PASITERA

 Betsaka ny fitarainana azony zandary momba ny vaki-trano misy eto Antsohihy fa indrindra ao amin’ny sektera Ambalapamba ary Lehilahy fantatra amin’ny anarana PASITERA no voalaza ho mpanao izany.

Nisy araka izany ny paik’ady napetraky ny zandary amin’ny fisamborana ity rangahy efa malaza ratsy mipetraka ao Ambodimabibo ‚ fokontany Matsaboribe kaominina Ampandriankilandy Distrika Antsohihy . Niroso tamin’ny fidinana ifotony sy fisavana trano rehefa nahazo taratasy fahazahoan-dalana hanao izany tamin’ny lehiben’ny fampanoavana ka entana halatra maro ( Ordinateur ‚ Convertisseur ‚ panneau solaire ‚ carreaux ( ao anaty baritra maromaro ) ‚ finday maro ‚ bafle vaventy ‚ lambam-pandriana sy lay (4 porte) sns ) izay halatra avokoa ny ankamaroany no sarona tamin’izany ‚ tsy tratra tao kosa izy.

Mba hanamora ny fikarohana azy dia nohentina namonjy ny tobin’ny zandary atao famotorana ny Rainy sy ny vady adefomandriny ny sabotsy 14 Janoary 2023 teo.
Efa betsaka ireo olona nahita ny hentana tamin’ireto sarona tao an-tranony Pasitera ireto ‚ mitohy ny fanadihadiana sy fikarohana azy ka miantso izay manam-baovao momba azy mba hanatona ary miantso ireo vaki-trano ihany mba hitondra fitarainana ara-potoana afahana mandray fepetra sy hialana amin’ny mety ho fanararaotana rehefa misy fahitana entana tahaka izao ‚ hoy ny komandin’ny tobim-paritry Zandary Antsohihy ‚ GPHC Désire.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment