a
FandraisanaVaovaom-paritraPORT BERGÉ : LEHILAHY IRAY MATY TEO AMPANAOVANA FIRAISANA TAMIN’NY MPIVAROTENA

PORT BERGÉ : LEHILAHY IRAY MATY TEO AMPANAOVANA FIRAISANA TAMIN’NY MPIVAROTENA

PORT BERGÉ : LEHILAHY IRAY MATY TEO AMPANAOVANA FIRAISANA TAMIN’NY MPIVAROTENA

 Lehilahy iray somary efa nahazo taona avy any Ambanivohitra manodidina ny tanàna ao Port Bergé no fantatra fa namoy ny ainy teo ampanaovana firaisana ara-nofo tamin’ny vehivavy mpivarotena ao an-toerana ny zoma 13 Janoary 2023 teo.

 Nidina ifotony avy hatrany ireo mpitandro filaminana sy ny mpitsabo rehefa nahazo vaovao tamin’ilay vehivavy . Ny fitsirihana nataony mpitsabo no nahafantara fa mbola mendo ny filahin-drangahy ary mbola namoaka tsirinaina ihany koa rehefa nokasihina ‚ tombanana ho nihinana fanofody mampatanjaka rehefa manao firaisana izy ka izao nijanona tampoka ny fitempon’ny fony ka nodimandry izao ‚ araka ny fanazavana voaray avy any an-toerana.

Tranga tsy mbola fahita matetika tao amin’ny tanànan’i Port Bergé ity ‚ fa na izany efa nisy olona maty tampoka tao anaty efitrano fandraisam-bahiny ny taon-dasa iny araka ny fanadihadiana natao.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment