a
FandraisanaVaovaom-paritraRN31 (Antsohihy-Bealanana) : MIVERINA AMIN’NY LAONINY NY FIFAMOIVOIZANA▪️VOAHARINA NY AO AMIN’NY PK 60 ARY MITOHY NY FANATSARANA VONJIMAIKA

RN31 (Antsohihy-Bealanana) : MIVERINA AMIN’NY LAONINY NY FIFAMOIVOIZANA▪️VOAHARINA NY AO AMIN’NY PK 60 ARY MITOHY NY FANATSARANA VONJIMAIKA

RN31 (Antsohihy-Bealanana) : MIVERINA AMIN’NY LAONINY NY FIFAMOIVOIZANA▪️VOAHARINA NY AO AMIN’NY PK 60 ARY MITOHY NY FANATSARANA VONJIMAIKA

 Taorian’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Gouverneur Faritra Sofia sy ny Solombavambahoaka voafidy tao Bealanana Marie Therese Randimby Volahaingo amin’ny fandraisana an-tànana haingana ny fanamboaran-dalana ao amin’ny PK 60 ‚ Andilan’Ampandrana amin’ny lalam-pirenena faha-31 dia voharina ny lalan-tapaka ‚ efa afaka mivezivezy ny fiara rehetra ‚ eny na ny kamiao mpitondra vokatra aza sy entana mavesatra aza.

Mitohy ny fanarenana ireo lalan-dratsy ao amin’ny lalam-pirenena faha-31 mba hamahana ny olan’ny mpampiasa lalana fa indrindra ny fahasahiranam-bahoaka na izany ‚ miantso ny rehetra mba tsy handroba ireny fanana iraisana toy ny “ BUSE MÉTALLIQUE ” ireny ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny asa vaventy . Voalaza mantsy fa ny halatra “ BUSE MÉTALLIQUE ” no fototry ny olana ‚ miteraka fahatapahan-dalana amin’ireny lalam-pirenena ireny matetika ‚ araka ny fanazavana.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment