JEUNES TIM SOFIA : NY FILOHA RAVOLAMANANA IHANY NO MAHAVAHA OLÀNA MISY ETO MADAGASIKARA
aratry ny tsy fahombiazan’ny fitondrana mijoro ankehitriny ny fisian’ny fahatapahany herinaratra miverim-berina sy tsy nahitam-bahaolana efa am-bolana maro tahaka izao miseho eto Antsohihy izao . Ny herinaratra no hiankinany ankamaroan’ny fiharian’olona ( Mpandrafitra ‚ Cyber ‚ mpivarotra ‚… )saharina ny vahoaka nohon’ny fahatapahan-jiro lavareny izay tsy mazava amin’ny vahoaka ny tena antony . Ankoatrizay ‚ ny fahapotehany lalana rehetra fa indrindra ato amin’ny Faritra Sofia izay tsy mbola nisy tahaka azy hatrizay . Midika izany fa tsy mahavaha olana ny fitondrana misy ankehitriny ary ny filoha Ravalomanana ihany no azo anankinana fahatokisana hamaha ireo olana maro mianjady amin’ny vahoaka ireo ka miantso isika rehetra mba sahy hijoro ‚ hoy ny Filohan’ny rezionalin’ny Tanora TIM ato amin’ny faritra Sofia ‚ Toavinjafy Cartelo Judickaël ‚ androany 14 Janoary 2023.