a
FandraisanaVaovaom-paritraMÉTÉO SOFIA : MBOLA MIJANONA NY FILAZANA FAMPITANDREMANA AMIN’NY FAHABETSAHAN’NY ROTSAK’ORANA

MÉTÉO SOFIA : MBOLA MIJANONA NY FILAZANA FAMPITANDREMANA AMIN’NY FAHABETSAHAN’NY ROTSAK’ORANA

MÉTÉO SOFIA : MBOLA MIJANONA NY FILAZANA FAMPITANDREMANA AMIN’NY FAHABETSAHAN’NY ROTSAK’ORANA

 Noho ny fisian’ny tangoron-drahona mitoetra eto Madagasikara dia mbola mipetraka ny filazana fampitandremana amin’ny mety habetsahan’ny rotsak’orana anio alina 12 Janoary ka hatramin’ny rahampitso 13 Janoary ato amin’ny faritra Sofia . Ahiana hampihena ny fahitan’ireo mpampiasa lalana izany , mety ho tampoka ny ranotrambo ‚ halama ny lalana ary ahiana hiakatra ireo renirano ka tena ilaina ny fahamailoana mandrakariva mba tsy ho tampohin’ny loza ‚ izay tsara fihomanana rahateo tsy ho tampohin’ny loza . Na misy na tsy hisy ny orana ‚ aleo mihomana sy mailo mandrakariva fa tsy mahafatiantoka izany.

Nahazo filazana fampitandremana miloko mavo daholo mantsy ny distrika rehetra mandrafitra ny faritra Sofia (12-24 ora mialoha) Antsohihy, Boriziny, Mampikony, Bealanana, Befandriana-Avaratra, Bealanana Ary Analalava
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment