TSIMAFANA – BELO SUR TSIRIBIHANA : FETY BE MITALAKOTROKOTROKA NO NANDRAISANY VAHOAKA NY BEN’NY TANÀNA HAKY TSIMIDARY dit TALE HAKY
Heritaona teo no voatazona am-ponja vonjy maika tao Morondava ny Ben’ny tanàna voafidy tao amin’ny kaominina Tsimafana ‚ Distrikan’i Belo sur Tsiribihana faritra Menabe ‚ voarohirohy tamin’ny fitanana Basy tsy nahazahoana alalana ‚ afaka madiodio anefa izy rehefa nandeha ny fotoam-pitsarana azy ‚ raharaha izay ahiana ho misy ambadika politika mba hamotehana azy hoy ny mpanaradia azy . Ny volana Desambra 2022 teo izy no tonga tany amin’ny kaominina izay hiadidiany ary fety be mitalakotrokotroka no nandraisany vahoaka azy.
Omby miisa efatra miampy vola no natolotry vahoakan’i Tsimafana hoan’ity Ben’ny tanàna ity mba hiara-mifaly tamin’izao fivoahany izao ‚ fihetsika nampihetsi-po ary tsy mbola fahita matetika izany . Nisaotra ny vahoaka nifidy sy mbola matoky azy moa ny Tale Haky ary nanamafy ny fahavononany hitondra fampandrosoana sy fivoarana hoan’ny kaominina Tsimafana . Ankoatrizay dia niantso ny fitondram-panjakana mba hijery akaiky ny olan’ny tsy fandriampahalemana eny ifotony ary nilaza ihany koa ny fahavononany hatrany amin’ny fanohanana ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny Ben’ny tanàna voafidy tao Tsimafana.