a
FandraisanaSosialyFANADIOVANA TANÀNA NIRAISANA TETO ANTSOHIHY : NANJAKAN’NY FIRAHALAHIANA SY FIRAISANKINA TANTERAKA

FANADIOVANA TANÀNA NIRAISANA TETO ANTSOHIHY : NANJAKAN’NY FIRAHALAHIANA SY FIRAISANKINA TANTERAKA

FANADIOVANA TANÀNA NIRAISANA TETO ANTSOHIHY : NANJAKAN’NY FIRAHALAHIANA SY FIRAISANKINA TANTERAKA

Tahaka ny mahazatra dia manomana hetsika iraisana ny tanora eto Antsohihy rehefa mamarana ny taona tahaka izao ‚ ka nisy ny fanadiovana tanàna izay nanasana ny sarambambem-bahoaka androany 30 Desambra 2022 . Nosafidina ho nidiovina nandrin’izany hetsika izany ny manodidina ny ROND POINT misy ny tsangabaton’ny Filoha Philibert Tsiranana ‚ ny kianjan’ny 29 Mars 1947 ‚ lalana mandeha mijotso any Ankiririky mihainga avy eo amin’ny Rond Point ary makeo amin’ny Biraon’ny kaominina sy ny Faritra Sofia.

Tany an-toerana ny Ben’ny tanàna NASIRY Ali ‚ niaraka tamin’ireo Filohan’ny Fikambanana Tanora maro ‚ ny vondrona mpilatsaka antsitra-po ( Croix-Rouge )‚ ny mpitsabo avy eo anivon’ny CSBU Antsohihy ‚ USAID’s ACCESS Antsohihy ‚ … Tazana ihany koa ny mpanakanto RAS GUEROT ‚ nandray anjara tamin’ny hetsika fanadiovana.
Nisy ny fiarahana niala hetaheta nokarakarainy Ben’ny tanàna taoriany hetsika.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment