a
FandraisanaFambolena sy fiompinaDREDD SOFIA : NIFANDRIMBONA NAMBOLY ZANA-KAZO NIARAKA TAMIN’NY MPITARIKA TANORA

DREDD SOFIA : NIFANDRIMBONA NAMBOLY ZANA-KAZO NIARAKA TAMIN’NY MPITARIKA TANORA

DREDD SOFIA : NIFANDRIMBONA NAMBOLY ZANA-KAZO NIARAKA TAMIN’NY MPITARIKA TANORA

Fotoam-pambolena ny vanim-potoana fahavaratra ka tokony samy hahay hanararaotra izany ny tsirairay fa indrindra ny olom-pirenena ‚ mba hanefa ny adidiny hoan’i Tanindrazana ‚ ho fandrakofana ala maitso ny tontolo manodidina ‚ ho tombontsoantsika sy taranaka faramandimby ‚ hoy Manantsoa Clermont ‚ namporisika olona hamboly zana-kazo amin’izao fotoam-pahavaratra izao.

 Sofia maitso ‚ tontolo rakotra ala maitso no tanjona ‚ mamaimpoana ny zana-kazo ao amin’ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana ( graine de vie ) ‚ azon’olon-tsotra sy fikambanana atao ny maka sy maboly izany hoan’ny tombontsoa iraisana ‚ hoy hatrany ny Talem-paritra nanamafy fa mbola hisy ny fotoana hiarana amin’ny sarambambem-bahoaka hiara-hientana amin’ny fambolen-kazo ato amin’ny Faritra Sofia.

Zana-kazo fihinam-boa ( Voasary‚ manga ‚ mokonazy… ) no navolin’ireo tompon’andraikitra avy eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy ‚ niaraka tamin’ireo solotenan’ny tanora mpitarika Fikambanana eto Antsohihy ary ireo mponina manodidina ny tanàna ao Bekitrobaka androany 05 Janoary 2023 tao Bekitrobaka ‚ fokontany Ambalabe Ouest II ‚ CU Antsohihy.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment