a
FandraisanaVaovaom-paritraMANJAKA NY VARO-MAIZINA AO PORT BERGÉ : AMIDIN’IREO MPANAO VARO-MAIZINA 7000Ar NY SOLIKA ( ESSENCE ) IRAY LITATRA▪️ MIANTSO VONJY AMIN’NY MPITONDRA NY MPANJIFA

MANJAKA NY VARO-MAIZINA AO PORT BERGÉ : AMIDIN’IREO MPANAO VARO-MAIZINA 7000Ar NY SOLIKA ( ESSENCE ) IRAY LITATRA▪️ MIANTSO VONJY AMIN’NY MPITONDRA NY MPANJIFA

MANJAKA NY VARO-MAIZINA AO PORT BERGÉ : AMIDIN’IREO MPANAO VARO-MAIZINA 7000Ar NY SOLIKA ( ESSENCE ) IRAY LITATRA▪️ MIANTSO VONJY AMIN’NY MPITONDRA NY MPANJIFA

 Herinandro na roa herinandro aorian’ny fandalovany “citerne” manatitra solika ao amin’ny “Station GALANA” ao Port Bergé ihany raha ela indrindra ny fisian’ny solika ( essence ) ao amin’ny “station” raha ny fanazavana voaray avy any an-toerana dia manjavona izany ary tsy misy raha tsy amin’ireo mpanao varo-maizina.

 Misesisesy aorian’io fe-potoana voalaza io ‚ manatona eny amin’ny toby mpanjijara solika voalaza etsy ambony ity ireo mpanao varo-maizina ‚ hany ka vetivety dia lany ny ao amin’ny toby ary tratran’ny krizy ‚ tsy mahita solika ampiasaina ireo mpamily Bajaj na koa ireo mpanjifa solika ao an-toerana . Rehefa mitranga io krizy io dia mamoaka amin’izay ireo mpanao varo-maizina ka mivarotra 7000Ar/litre raha 5900Ar akana azy eo amin’ny toby.

Tsy lavitra ny toby voalaza etsy ambony no misy izany tranga izany ary efa mateti-pitranga sy miverim-berina fa jerim-potsiny ‚ tsy mbola nisy fanapahan-kevitra matotra noraisin’ny mpitondra momba izany ‚ hoy hatrany ny fanazavana voaray . Miahiahy ireo mpanjifa solika ao an-toerana fa misy fiarahamiasa matotra amin’ireto olona mpanao varo-maizina ireto sy ireo tompon’andraikitra eo anivon’io toby mpanjijara solika ao an-toerana io ‚ ary misy kopaka isasahana matoa izao lasa fitadiavam-bola mahazatra ( velon-tena ) mihitsy.

Tsy mbola voamarina anefa na tena misy tokoa io fiarahamiasa voalaza io fa mitohy ny fanadihadiana ary miantso ny manampahefana ifotony mba hijery akaiky ny tranga fa velontaraina amin’ny fidangan’ny vidin-tsolika ireo mpanjifa fa indrindra ireo mpamily Bajaj izay mikasa hampakatra ny saran-dalana raha tsy misy vahaolana matotra.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment