a
FandraisanaSosialyAMPELA MIONJO ANTSOHIHY : MIOFANA MOMBA NY “ PÂTISSERIE ”

AMPELA MIONJO ANTSOHIHY : MIOFANA MOMBA NY “ PÂTISSERIE ”

AMPELA MIONJO ANTSOHIHY : MIOFANA MOMBA NY “ PÂTISSERIE ”

Fikambanan’ny vehivavy mandray anjara amin’ny fampivoarana sy fampandrosoana ny fiarahamonina ny Fikambanana Ampela mionjo izay noforonon-dRamatoa SOA ROVA eto Madagasikara ary efa mieli-patrana amin’ny faritra maro eto Madagasikara ka tsy diso anjara amin’izany ny ato amin’iny Faritra Sofia izay tarihin’i Christine Razafindravao.

Nisy ny hetsika ‚ fampianarana momba ny « pâtisserie » hoan’ireo vehivavy eto Antsohihy tao amin’ny Tranompokonolona androany 08 Janoary 2023 . Izay nanasana vehivavy maro eto Antsohihy ary tsy hanavahana olona.

Afaka miditra ho mpikambana ny vehivavy rehetra izay feno 18 taona ‚ tsy misy fanavakahana fa vehivavy mifoha ‚ mandray an-tànana ny fiainany no tanjon’ny Fikambanana ka aza misalasala manatona fa hetsika savaranonando ity fa hisesisesy izany amin’ity taona 2023 ho fampivoarana ny vehivavy ‚ hoy ny filohan’ny Fikambanana AMPELA MIONJO SOFIA ‚ Christine Razafindravao raha namporisika ireo vehivavy hiditra ao anatin’ny Fikambanana mba afahana manampy azy.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment