a
FandraisanaVaovaom-paritraLALAM-PIRENENA SY NY FOTOAM-PAHAVARATRA : BETSAKA IREO LALANA DIBO-DRANO ▪️SAHIRANA NY MPANDEHA AO KOA IREO VOATERY MITOKA-MONINA

LALAM-PIRENENA SY NY FOTOAM-PAHAVARATRA : BETSAKA IREO LALANA DIBO-DRANO ▪️SAHIRANA NY MPANDEHA AO KOA IREO VOATERY MITOKA-MONINA

LALAM-PIRENENA SY NY FOTOAM-PAHAVARATRA : BETSAKA IREO LALANA DIBO-DRANO ▪️SAHIRANA NY MPANDEHA AO KOA IREO VOATERY MITOKA-MONINA

Faly sahirana ny vahoaka Malagasy rehefa tonga ny vanim-potoana fahavaratra ‚ firotsahan’orana ‚ afahana mamboly sy mamokatra saingy malahelo sy miferinaina ihany noho ny fahapotehan’ireo lalam-pirenena maro eto Madagasikara.

Misy amin’ireo Distrika eto Madagasikara dia mitoka-monina tanteraka rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao ‚ tsy afaka any ny lalana noho ireo fotaka sy rano miakatra ‚ santionany amin’izany ity mitranga amin’ny lalam-pirenena faha-13 ity . Tondraka ny rano ao Kelivaho-Betroka ‚ lasan’ny rano tao amin’ny tetezan‘i Lagnana Ampety Kaominina Kelivaho ‚ rehefa nisisika ny hiampita ilay kamiao iray mitondra zava-pisotro avy any Antsirabe ho any Taolagnaro.
Tsy nisy aina nafoy fa nisy kosa naratra . Nanampy tamin’ny famonjena azy ireo ny zandary ao tobim-paritr’i Kelivaho.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment