a
FandraisanaFahasalamanaCSB ANTSOHIHY : NAMPATSIAHIVIN’IREO TOMPON’ANDRAIKITRA FA MAMAIMPOANA NY FITSABOANA

CSB ANTSOHIHY : NAMPATSIAHIVIN’IREO TOMPON’ANDRAIKITRA FA MAMAIMPOANA NY FITSABOANA

CSB ANTSOHIHY : NAMPATSIAHIVIN’IREO TOMPON’ANDRAIKITRA FA MAMAIMPOANA NY FITSABOANA

 Tsikaritra fa betsaka ireo diso fihevitra sy diso fandraisana ary indrindra diso lalana ka malaina ny hanatona toeram-pitsaboana rehefa marary na tratrin’ny tsy fahasalamana ‚ noho tsy fahalalana na tsy fahafantarana ny fisian’ny CSB sy ny andraikiny na ny adidiny ka lany vola amin’ny hopitaly tsy miankina na amin’ny hopitaly izay tsy miresaka raha tsy vola . Malaina araka izany ny olona hanatona ny toeram-pitsaboana.

Nitondra fanazavana ary nampahafantatra ny momba ny CSBU ao Antafiampatsa ( Ambdimangatelo ) ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny CSBU Antsohihy sy ny Ben’ny tanàna NASIRY Ali fa mamaimpoana ‚ tsy misy vola aloan’ny olona tsaboina raha mandeha amin’ny CSBU ‚ mamaimpoana ny fandraisana an-tànana ny marary rehetra . Ankoatrizay dia mirary ny vidim-panafody ao amin’ny CSBU ‚ izany hoe tsy misy vola aloa fa mamaimpoana ny fandraisana an-tànana ny marary sy ny fikarakarana rehetra fa ny fanafody kosa andoavam-bola amin’ny vidiny mirary ka miantso ny rehetra ‚ tsy hisalasala hanatona ny toeram-pitsaboana CSBU.

Marihina fa mpitsabo vaovao no mitantana CSBU ankehitriny . Taom-baovao ‚ mpitsabo vaovao vao nahazo famindran-toerana ny Chef CSB ary fomba fiasa vaovao ihany koa.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment