ASSOCIATION MIAHY : NIZARA KILALAO SY VATOMAMY HOAN’IREO ANKIZY SAHIRANA
Tsy nanadino ireo zanaka Antsohihy fa indrindra ireo ankizy kely sahirana ara-pivelomana amin’izao fetin’ny krisimasy izao i Miahy Ambinintsoa Zanaka Antsohihy ‚ monina sy mipetraka any ivelany fa nandefa fanomezana ‚ kilalao sy vatomamy maro mba homena ireo ankizy sahirana ‚ ho fampifaliana azy ireo amin’izao fety izao.
Ankizy aman-jatony no tonga tao amin’ny kaominina ‚ toerana natokana hizarana izany . Nisolotena ireo Ray aman-dreny sy vahoakan’Antsohihy ‚ nitondra fisaorana sy fankasitrahana an’i Miahy Ambinintsoa sy ny Association MIAHY ny Ben’ny tanàna NASIRY Ali.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.