a
FandraisanaSosialyONIVERSITEN’I TOLIARA : FANAMBOARANA TRANO HONENANY NO NANDANIAN’NY MPIANATRA ZANAKA SOFIA NY KRISIMASINY

ONIVERSITEN’I TOLIARA : FANAMBOARANA TRANO HONENANY NO NANDANIAN’NY MPIANATRA ZANAKA SOFIA NY KRISIMASINY

ONIVERSITEN’I TOLIARA : FANAMBOARANA TRANO HONENANY NO NANDANIAN’NY MPIANATRA ZANAKA SOFIA NY KRISIMASINY

Aleonay manamboatra ny trano hipetrahanay toy izay hifety ka manao antso avo amin’ny zanakin’ny Faritra Sofia malala-tànana afaka manampy na mpanao politika na olon-tsotra ‚ ny hery velona rehetra fa sahirana izahay mpianatra zanaky ny Faritra Sofia aty Toliara ‚ hoy ny filohan’ny mpianatra zanaky ny Faritra Sofia ao amin’ny Oniversiten’i Toliara androany tao amin’ny kaontiny sy vondrona zanaky Antsohihy sady nametraka ny laharany : 034 95 861 93.

Sahirana araka izany ny mpianatra vao mahavita fianarana eto Madagasikara fa indrindra ireo miala lavitra Ray aman-dreny ka tsy manam-bola sy ambim-bava.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment