a
FandraisanaVaovaom-paritraMANDRITSARA : MITAKY NY HANAKATONANA NY KARIERA AO SAHANTONA NY VAHOAKA ‚ TOMPON-TANY VOAROBA

MANDRITSARA : MITAKY NY HANAKATONANA NY KARIERA AO SAHANTONA NY VAHOAKA ‚ TOMPON-TANY VOAROBA

MANDRITSARA : MITAKY NY HANAKATONANA NY KARIERA AO SAHANTONA NY VAHOAKA ‚ TOMPON-TANY VOAROBA

Na efa manao ezaka amin’ny fampandrian-tany ao amin’ny kariera sy an-tanàna ao Sahantona aza ny mpitondra sy ny mpitandro filaminana dia tsy matoky intsony ireo mpitrandraka ny fokonolona tompon-tany izay voaroba ‚ potika fananana ary traboina nandritran’ny fanafihana sy fikomiana nataon’ireo mpitrandraka sasany ‚ ny zoma 09 Desambra 2022 teo.

Miantso ny fitondram-panjakana ‚ hanakatona tsy misy hatak’andro ilay kariera fitrandrahana volamena ao Sahantona Mandritsara ny vahoaka tompon-tany ‚ hatramin’ny Ben’ny tanàna voafidy tao Andohajango raha ny vaovao voaray avy any an-toerana . Miantso tolo-tànana sy fanampiana ihany koa izy ireo noho ny voina nahazo azy.

Tsiahivina ihany fa trano 30 mahery ny trano may kilan’ny afo ‚ nodoran’ireo mpikomy ny tanàna ao Sahantona ‚ may avokoa ny masomboly rehetra nantenaina hiatrehana ny fotoam-pambolena ‚ very lasan’ireo mpandromba ny fitaovana sy fananana maro ka miantso ny handraisana fepetra amin’ireo nahavanon-doza ny tompon-tany.

Mpitandro filaminana 50 mahery no efa nalefa nandamina tany an-toerana ‚ Olona ampolony no efa voasambotra . Voalaza fa mbola betsaka ireo tsy sahy miverina an-tanàna ‚ ao kosa ireo mitomany andro aman’alina noho ny voina izay nahazo azy.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment