a
FandraisanaVaovaom-paritraRN7 : OLONA ROA MATY TRA-DOZA TEO AMPIDIRINA NY TANÀNAN’I ANDOHANILAKAKA

RN7 : OLONA ROA MATY TRA-DOZA TEO AMPIDIRINA NY TANÀNAN’I ANDOHANILAKAKA

RN7 : OLONA ROA MATY TRA-DOZA TEO AMPIDIRINA NY TANÀNAN’I ANDOHANILAKAKA

Vehivavy iray bevohoka sy lehilahy iray efa nahazo taona no maty tsy tra-drano vokatrin’ny lozam-pifamoivoizana teo ampidirina Andohanilakaka ‚ lalam-pirenena faha-07 , Olona 06 mianadahy hafa kosa naratra mafy sy mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny CSB II any an-toerana.

Tsy fantatra marina mazava izay nahatongavan’ny loza fa nitondra ampalibe kanefa tsy nampilaza mialoha ilay vehivavy bevohoka namoy ny ainy io‚ araka ny fanazavana nataony mpamily.

Fiara Sprinter ‚ avy ao amin’ny koperativa TRANS TSY TARA ‚ manao zotra TANA – TOLIARA ity tra-doza tao Andohanilakaka ity . Fantatra ihany koa araka ny loharanom-baovao fa namoy ny ainy ireo olona roa naratra mafy tamin’ny lozam-pifamoivoizana niseho teo ampidirina Ankazobe ‚ lalam-pirenena faha-04 androany maraina teo . Mankahery ny fianakaviana manamanjo ary mirary fahasalamana hoan’ireo olona maratra.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment