a
FandraisanaVaovaom-paritraADI-TANY AO AMBENDRANA ‚ ANTSOHIHY : NY FISIANY KOLIKOLY NO FOTOTRY NY KORONTANA

ADI-TANY AO AMBENDRANA ‚ ANTSOHIHY : NY FISIANY KOLIKOLY NO FOTOTRY NY KORONTANA

ADI-TANY AO AMBENDRANA ‚ ANTSOHIHY : NY FISIANY KOLIKOLY NO FOTOTRY NY KORONTANA

Taitra sady gaga izahay ‚ raha nolazain’ireo olona miady tany aminay fa misakana fampandrosoana ‚ izay tsipahinay tanteraka ary hitondranay fanazavana eto ; Tsy tany lava volo izany io tompoko fa tany efa nisy nikarakara hatrizay ary efa nonina teto izahay vao tonga nandrava tany ireo olona izay azo lazaina fa voafitaka ihany . Ramatoa Cécile sy ny vadiny no tompony tany ‚ izy ireo no niteraka Ratalata ary Ratalata sy ny Reniny no nanome ny tany amin’ny Zaivola Joséphine Reniko ka izany no nahafahanay nipetraka eto efa an-taonany maro ary manana taratasy ara-dalàna momba izany izahay ‚ hoy Tsibary ‚ zanaky Zaivola Joséphine nitondra fanazavana momba ny tany izay misy olàna ao Ambendrana ‚ fokontany Ankiririky sud kaominina ambonivohitry Antsohihy.

 Efa tsy afaka mandeha noho ny aretina mahazo azy ‚ izy rahateo efa somary nahazo taona i Ratalata fa na izany ‚ mbola afaka miresaka . Tsy tany lava volo izany io fa izahay no tompony ‚ izaho sy ny Reniko Cécile no nanome tany io an’ny Zaivola Joséphine fa misandoka sy misoloky izay milaza ho tompony ankoatranay ‚ hoy Ratalata androany nitondra fanazavana.

Nanamafy ireo voalaza ireo ny Chef secteur Ambendrana sy Ray aman-dReny monina ao Ambendrana ary samy nilaza fa i FIDA Houssen sy Zaivola Joséphine ‚ Ray aman-dReny niteraka an’i Tsibary no tompony tany . Nambarany chef secteur ao Ambendrana fa tsy nisy fampahafantarana ny mponina ifotony sy tompon’andraikitra ao amin’ny secteur ireo nikarakara taratasy famarotana tany fa vitavita teny amin’ny sisiny ary ahina ho misy ambadika kolikoly ny fanaovana izany . Nanamafy ihany koa i Tsibary sy dada zanaka Talata fa efa nisy fampitandremana natao tamin’ireo olona nametraka fotodrafitr’asa ao saingy mafy loha izy ireo ary milaza ho mahafantatra olona ambony any Antananirivo ‚ ao ireo mirehareha fa olom-boafidy ka tsy azo kitihina.

Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana mahefa ireto fianakaviana voarava tany ary mangataka ny hanaovana fanadihadiana lalina aty ifotony mba ahitana ny marina ‚ mainatso ny Bianco ihany koa mba hijery akaiky ny raharaha fa ahiana ho misy trangana kolikoly nataon’ireo tompon’andraikitra sasany nikarakara ny antontan-taratasy ankilany.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment