FARITRA SOFIA : SEHO ARA-KOLOTORALY SY HETSIKA MARO ISAN-KARAZANY NO NANAMARIHANA NY FAHA-64 TAONA NAHATERAHANY REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA
Nomarihina tao anaty telo andro nisesy ny faha-64 taona nahaterahany Repoblikan’i Madagasikara ‚ nanambarana voalohany fa firenena afaka sy mahaleo tena i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy . Nanomboka tamin’io ihany koa ny fitondrana Repoblika teto Madagasikara ka ny Filoha Philibert Tsiranana no nitondra izany voalohany.
Fanehoana ireo raki-tsary mitantara ny vanim-potoana faha fanjanahan-tany sy nahazahoana ny fahaleovan-tena ‚ fampirantiana ireo vokatra maro mampiavaka ny faritra Sofia ‚ hetsika ara-kolotoraly maro namoazana ireo kolontsaina sy dihin-dRazana mampiavaka ny faritra ary ireo hetsika maro isan-karazany no nohentina nanamarika izany tao anaty telo andro nisesy ( 12 – 13 – 14 Oktobra 2022 ) . Nisy ny fanaterana ny fehezam-boninkazo teo amin’ny tsangam-baton’ny filoha Philibert Tsiranana Anahidrano sy Rond point Antsohihy renivohitry ny faritra Sofia ary nofaranana tamin’ny fanolorana mari-pakasitrahana hoan’ireo nahazo voalohany tamin’ny fifaninana vako-dRazana , dihin-dRazana , hetsika nandritra ny diabe sns . Nanafana ny lanonana ny mpanakanto DIN ROTSAKA sy VAIAVY YDAH.
Teo ambany fiahiany Governoran’ny faritra Sofia ‚ Jeneraly Lylyson René de Rolland ‚ ny Lehiben’ny Prefektiora Antsohihy ‚ ireo solombavam-bahoaka maro voafidy tato amin’ny faritra Sofia ‚ ireo talem-paritra sy lehiben’ny sampandraharaha miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana ‚ ireo Ben’ny tanàna maro voafidy tato amin’ny faritra Sofia ‚ ary ny vahoaka maro zanaky ny faritra ny lanonana.
Tsy avelantsika handalo fotsiny itu daty manan-tantara ity fa ho marihintsika isan-taona ary ataontsika makotroka mba tsy hohadino ‚ hoy ny Governoran’ny faritra Sofia . Tokony hamoahana « Décret » ho andro tsy fiasana kanefa andraisan-karama ny 14 Oktobra ary tokony atao mitalakotrokotroka sahala amin’ny 26 Jona ny fanamarihana azy satria tamin’io no niverenany fahaleovan-tena ‚ ho Depiote Djaossera Irénée.
![♦️](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/t2d/1/16/2666.png)