a
FandraisanaSosialyANTSOHIHY : HO RAKOFANA JIRO MAZAVA NY TANÀNA▪️NAMPIANY HYACINTHE BEFENO 50 IISA NY JIRO TEO ALOHA

ANTSOHIHY : HO RAKOFANA JIRO MAZAVA NY TANÀNA▪️NAMPIANY HYACINTHE BEFENO 50 IISA NY JIRO TEO ALOHA

ANTSOHIHY : HO RAKOFANA JIRO MAZAVA NY TANÀNA▪️NAMPIANY HYACINTHE BEFENO 50 IISA NY JIRO TEO ALOHA

 Izay vao tena hanjelanjelatra ny tanànan’i Antsohihy renivohitry ny faritra Sofia . Nampiany Hyacinthe Befeno Todimanana 50 iisa ny Jiro LAMPADAIRE hanazava ny tanàna . Tsy mbola afarina fa efa natolotra ny Kaominina ambonivohitra Antsohihy omaly 15 Oktobra 2022 izany ary noraisiny Ben’ny tanàna NASIRY Ali.

Misokatra amin’ny olona rehetra liam-pandrosoana ny Kaominina ambonivohitra Antsohihy ary tsy manavaka loko ara-politika fa mandray izay omeny rehetra ho fampandrosoana ny tanàna iaraha-manana ka mamporisika ireo zanaka Antsohihy na mpanao politika na tsy mpanao politika hitondra fampandrosoana hoan’ny tanàna ‚ hoy NASIRY Ali ‚ Ben’ny tanàna voafidy teto Antsohihy ‚ nankasitraka tamin’ny fanomezana.

Mahatsiaro ho manana adidy ny tena amin’ny maha zanaka Antsohihy ‚ ka nitondra ireto fanomezana kely ireto hoan’ny vahoaka amin’ireny fokontany mbola maizina ireny . Taratry ny fandrosoany tanàna ary mametraka ny fandriampahalemana ny fisiany jiro ka izany no nanomezana azy ity ary natao mazava tokoa . Hitohy hatrany ny fitsinjovana ny mpiara-belona eto Antsohihy ary hanampy sy hitondra izay zakanay izahay amin’ny fampandrosoana ny tanàna izay hiaraha-manana ‚ hoy Hyacinthe Befeno Todimanana ‚ nampanantena fa mbola santatra ambarano ity natao omaly ity.
💥 Aparitaka eny amin’ny fokontany sy sektera mbola hita fa maizina ireto fitaovana ireto raha ny fanazavana.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment