a
FandraisanaPolitikaTSARA HO FANTATRA ARY TSY AZO KOSEHINA EO AMIN’NY TANTARAM-PIRENENA MALAGASY NY 14 OKTOBRA 1958

TSARA HO FANTATRA ARY TSY AZO KOSEHINA EO AMIN’NY TANTARAM-PIRENENA MALAGASY NY 14 OKTOBRA 1958

TSARA HO FANTATRA ARY TSY AZO KOSEHINA EO AMIN’NY TANTARAM-PIRENENA MALAGASY NY 14 OKTOBRA 1958

Tamin’ny 10 Ora mahery 50 minitra maraina teo ny androny 14 Oktobra 1958 no vita sonia ary nambara ampahabemaso fa MAHALEO TENA I MADAGASIKARA raha nozanahiny Frantsay tao anaty 60 taona mahery.

 Ny Filoha Philibert TSIRANANA no voafidy voalohany hitondra ny firenena Malagasy tamin’izany ary nomena anarana RAIN’NY FAHALEOVAN-TENA ihany koa izy ka manaiky izany ny tany sy ny firenena Malagasy.

 Daty manan-tantara ary manan-danja eo amin’ny tantaran’ny firenena Malagasy ity datin’ny 14 Oktobra ity ka tonkony homena lanja manokana ary ny fitondram-panjakana Malagasy izay mifandimby mihitsy no tokony hanome lanja azy voalohany.

Tsy fetim-pianakaviana na fetin’ny faritra Sofia izy io fa fetin’ny MALAGASY ka tokony omen-danja manokana ‚ anisany fanomezan-danja ity daty ity ny fametrahana azy ho andro tsy fiasana kanefa andraisan-karama ( jour férié ) ‚ nekena ary namoahana didim-panjakana mihitsy ireo fetim-pinoana maro isan-karazany ( Noël ‚ Eid Moubarak ‚… ) ‚ kanefa avy any ivelany ireny no tonga teto . Mampanontany tena ihany ny zava-misy ankehitriny sy eto Madagasikara ‚ omen-danja ny fomba sy karazana fety maro avy any ivelany fa ahilika sy atao tsinontsinona kosa ny eto Madagasikara toy ny 14 Oktobra ‚ Taom-baovao Malagasy na lohataona Malagasy sns … Gaga ve isika raha toy izao i Madagasikara ? Olon-kendry iray manana ny maha izy azy no efa nanambara raha ‚ tehamotika ny firenena iray dia ny kolontsainy sy ny Fanabeazana ary fampianarana ao aminy poteho voalohany…

Tongotra vakivaky ny zava-misy eto Madagasikara ‚ betsaka amin’ny Malagasy no tsy mahafantatra ny tena tantarany ary sasana ati-doha tsy hiherika amin’izany mba afahana mangeja sy manaporitra azy ao anaty fahantrana lalina ? Hoy ny fanehoan-kevitra nataony olom-pirenena iray izay sendra anay androany 14 Oktobra 2022.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment