FILOHA ZAFY ALBERT : NODIMANDRY NIARAKA AMINY NY DEMOKRASIA
Tsaroana anio ny faha-05 taona namoizana ny Filoha Zafy Albert izay nodimandry ny 13 oktobra 2017 . Dimy taona katroka androany no nodimandry ny Filoha Zafy Albert.
Notondroina sy nosalorana anarana Rain’ny Demokrasia izy noho ireo ezaka maro vitany izay noezahina notakomana . Mpitari-tolona, mahery fo nitondra ny rivo-panovana teto amin’ny firenena ny filoha ZAFY ALBERT na efa Filoham-pirenena aza izy dia tsy nanambony tena fa nanakaiky ny vahoaka hatrany ‚ nanatona ireo vahoaka ambany ravin’ahitra rehetra any ‚ tamin’ny alalan’ilay antsoina hoe « Mada Raid » fa tsy nampiadan-tena tao an-dapa.
Nanamarika ny fitondrany ny nanombohany nametraka ny « Décentralisation » tena izy, izay tena ilain’ny firenena hatramin’izao fotoana iainantsika izao . Mahitsy fiteny, tsy mba miolakolaka na mandainga, be fandeferana, manetry tena. Ireo no toetra tena nitiavan’ny Malagasy azy, ary betsaka ireo mahatsiaro tena ho kamboty tokoa rehefa nilaozany, 5 taona lasa izay. Izany ka olo-mendrika e !
![🔥](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/t50/1/16/1f525.png)
![🔥](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/t50/1/16/1f525.png)
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.