PORT BERGER : RAVAN’NY AFO NY TANÀNA AO AMPITILIMAIKA
Trano tombanana ho 300 tafo may kila ‚ ravan’ny afo tao amin’ny fokontany Ampitilimaiky ‚ kaominina Andranomena – Distrikan’i Port Bergé omaly 11 Oktobra 2022 . Tombanana ho 900 gony ny vary may sy tsy nisy azo noraisina ‚ katsaka 200 gony ‚ Mangahazo 20 gony …raha ny tatitra vonjy maika azo avy tamin’ny mponina ifotony.
Miantso vonjy sy tolo-tànana araka izany ny vahoaka any an-toerana fa sahirana tanteraka . Mankahery ireo havana traboina ny pejy Aboaho Ankiaka.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.