a
FandraisanaPolitikaANTSOHIHY : VOASAKANTSAKANA NY EZAKA HOAN’NY FAMPANDROSOANA

ANTSOHIHY : VOASAKANTSAKANA NY EZAKA HOAN’NY FAMPANDROSOANA

ANTSOHIHY : VOASAKANTSAKANA NY EZAKA HOAN’NY FAMPANDROSOANA

Raikitra indray ny ady tany ao Ambendrana ‚ fokontany Ankiririky sud ‚ kaominina ambonivohitry Antsohihy faritra Sofia . Samy milaza ho manana taratasy ireo mpiady ary samy milaza ho tompony tany rehefa madio sy nanorenana fotodrafitr’asa ary hiroso amin’ny fanatsarana ny sasany ka hametraka toeram-pitsaboana ao.

Tsy misy olona nilaza ho tompony ny tany rehefa nividy azy aho ‚ nikarakara taratasy momba izany aveo nizotra ampilaminana tsy nisy raorao fa rehefa nametraka fotodrafitr’asa ‚ hampiofanana tanora ary mikasa hanao toeram-pitsaboana mihitsy dia voahelingelina ‚ raikitra ny ady teny amin’ny fitsarana ‚ nivoaka ho mpandresy izahay miaraka amin’ny didim-pitsarana raikitra kanefa mbola ilana vaniny sy ampihorohoroana hatrany ‚ hoy ny fanazavana nataony ankilany.

Nitondra fanazavana mifanohitra amin’izany kosa ny andaniny ‚ Efa an-taonany maro no maha anay ny tany eto ka izao misy miditra an-keriny izao ‚ mbola mandeha ny ady‚ mampitandrina azy ireo izahay mba tsy hirobaroba hanangana fotodrafitr’asa eto fandrao horodanina ka afoy ao anaty indray mipi-maso ary ho fatiantoka be izany‚ hoy ny andaniny nandrangaranga heriny . Arahintsika eto ihany ny mety ho tohiny fa olona maromaro no velon-taraina amin’ny afitsok’ireo milaza ho tompon-tany ireto.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment