a
FandraisanaKolontsaina sy TalentaANTSOHIHY : NISY NY SORONA OMBY HO FANAJANA NY FOMBAN-TANY

ANTSOHIHY : NISY NY SORONA OMBY HO FANAJANA NY FOMBAN-TANY

ANTSOHIHY : NISY NY SORONA OMBY HO FANAJANA NY FOMBAN-TANY

Manoloana ireo loza maro nisesisesy ‚ namoizana ain’olona maro sy fanana‚ harena saro-bidy maro dia nijoro ary nitondra omby natao sorona teo amin’ny vodimadiro be ‚ ao Bazary be Haute ville Antsohihy ireo Ray aman-dReny ara-dRazana sady mpitanjiny eto Antsohihy ‚ nanao fombafomba ho fanadiovana ny tanàna sy fangatahana ny hialany ratsy ary hidirany fahasoavana eto an-tanàna.

Nosafidiana manokana teo amin’ny vodimadiro be ‚ noho izy toerana masina sy nametrahan’ireo Ray aman-dReny ‚ Razana tompon-tany ny haja aman-boninahitra . Tany no nametrahana kianjan’ny fahaleovan-tena taloha ‚ tany ihany koa fanaovana joro taloha ka tsy tokony ho lotoina na zimbazimbaina ‚ araka ny fanazavana.

 Voahota fady ary matolo ny tanàna noho ny tsy fanajana ny fomban-tany ‚ Tezitra ireo Razana tompon-tany ka izany no hevirina ho mahatonga ny loza nisesisesy ‚ hoy JAOMARINA mpitanjiny ‚ zafiny tompon-tany mipetraka ao Madomaiky‚ nitondra fanazavana.

 Nandritra ny fotoana nanaovana ny fombafomba sy nandavoana ny omby mazava loha sady matavy ( vondraka ) no nananarany mpitanjiny sy zafin-tany ireo mpivarotra ‚ fa indrindra manodidina ity toerana nanaovana sorona ity mba tsy handoto na hanary fako ao intsony raha tsy tehahazo loza . Nisy avy hatrany ny fanesorana ireo fako nivangongo teny ary fametrahana lamba mena ‚ fandrarahana ràn’omby ho famerenana ny hasiny tany.

Tazana teny an-toerana ny solombavam-bahoaka voafidy teto Antsohihy ‚ ny Governoran’ny faritra Sofia ‚ n’y lehiben’ny Prefektiora Antsohihy ‚ ny Ben’ny tanàna NASIRY Ali ‚ ireo tompon’andraikitra ara-panjakana maro ‚ ireo Ray aman-dReny ara-dRazana ary ny vahoaka eto Antsohihy . Nilaza ny Governoran’ny faritra Sofia fa tsy mijabaka amin’ny fanatanterahana ny fombafomba ny fitondram-panjakana fa manampy kosa raha misy ilana azy amin’ny fanatanterahana izany ho famerenana sy fanomezan-danja ny kolontsaina sy hasina maha Malagasy.

Tsy mitovy ny finoana sy ny fomba amam-panao ‚ tsy tokony hahabe resaka ny zavatra natao androany na ho hamaivanina ‚ hoy ireo nanatrika ny fotoana naneho ny heviny . Hitohy amin’ireo toerana voalaza fa voahota fady ka tokony hasiam-panadiovana ny hetsika manaraka.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment