a
FandraisanaSosialyTAXI VILLE ANTSOHIHY : MANATSARA NY TOLOTRA ‚ FOMBA FIASA HATRANY ARY VONONA HANOME FAHAFAHAM-PO NY MPANDEHA

TAXI VILLE ANTSOHIHY : MANATSARA NY TOLOTRA ‚ FOMBA FIASA HATRANY ARY VONONA HANOME FAHAFAHAM-PO NY MPANDEHA

TAXI VILLE ANTSOHIHY : MANATSARA NY TOLOTRA ‚ FOMBA FIASA HATRANY ARY VONONA HANOME FAHAFAHAM-PO NY MPANDEHA

 Miavaka ny tanànan’Antsohihy amin’ny fahatsarany Taxi ville miasa ‚ tafiditra ao amin’ireo tanàna 05 voalohany izy raha toa ka misy ny fisarihana na fifaninana momba izany . Miroso amin’ny fanatsarana ny fomba fiasa sy tolotra omena ny mpanjifa hatrany ireo mpamily sy ireo mpikambana ao anaty sendika.

 Nilaza ny Orinasa JOVENA omaly 09 Oktobra 2022 fa vonona hiara hiasa amin’ny Sendika TAXI VILLE ANTSOHIHY ‚ izay tarihin’Atoa ZIZY . Hisy ny fihenambidy eo amin’ny resaka solika hoan’ireo TAXIMAN mivondrona ao anaty Sendika . Hisy ihany koa fanomezana karatra hoan’ireo mpikambana mba hamantarana izany sy afahana manaramaso ireo TAXI VILLE miasa eto Antsohihy.

Nanamafy hatrany ny filohan’ny sendika fa vonona hanome fahafaham-po ny mpandeha ary hanatsara hatrany ny fomba fiasa eto Antsohihy . Afaka mifampiresaka aminy ihany koa raha misy olàna momba ireo TAXIMAN na fitarainana na soso-kevitra.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment