a
FandraisanaSosialyBORIZINY : AZO ANTOKA ARY NOHAMAFISINA NY FIAROVANA NY ALA MIREFY 21343Ha sy DOBON-DRANO MAMOKATRA MIREFY 610Ha AO AMIN’NY KAOMININA TSARATANANA

BORIZINY : AZO ANTOKA ARY NOHAMAFISINA NY FIAROVANA NY ALA MIREFY 21343Ha sy DOBON-DRANO MAMOKATRA MIREFY 610Ha AO AMIN’NY KAOMININA TSARATANANA

BORIZINY : AZO ANTOKA ARY NOHAMAFISINA NY FIAROVANA NY ALA MIREFY 21343Ha sy DOBON-DRANO MAMOKATRA MIREFY 610Ha AO AMIN’NY KAOMININA TSARATANANA

Tsy vita ao anaty birao ny fiarovana ny tontolo iainana ‚ ilaina ny fidinana ifotony mba ahitana ny tena zava-misy marina ‚ afahana manapa-kevitra manoloana izany . Fokontany miisa 05 tao amin’ny kaominina Tsaratanana ‚ Distrikan’i Port Bergé faritra Sofia no nahazo fiantohana avy amin’ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy ‚ amin’ny fahafahana miaro ny tontolo iainana ifotony ‚ ala sy ireo harena voajanahary maro ‚ izay antsoina hoe VOI ( Vondron’olona ifotony ).

 Alan-javaboary mirefy 21 343Ha sy dobon-drano feno trondro ‚ vokatra maro mirefy 610 Ha no hita sy mandrakotra ireo fokontany 05 izay nametrahana VOI ireo . Tany an-toerana ny talem-paritry ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy ‚ Manantsoa Clermont nanolotra fanomezan-dalana ara-dalàna afahana manao ny asa fiarovana alan-javaboary sy dobon-drano ( matsàbory ) io.

Nisy ny toromarika sy fizarana traikefa nomeny talem-paritry hoan’ireo VOI ‚ Tazana teny ihany koa ny talem-paritry ny jono sy toekarena manga ‚ nanampy azy sy nanontrona ary nanome voninahitra ny fihaonana niaraka tamin’ireo solontena ara-panjakana maro ary ny vahoaka ifotony . Tanjona ny hitazomana sy hitoeran’ireo alan-javaboary misy eny ifotony ‚ ho lovain’ny taranaka faramandimy araka ny fanazavana . Ny Tetik’asa Madagasikara Voakajy sy ny WWT no nanampy ary niara niasa navitrika ‚ nahatanteraka izany.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment