a
FandraisanaToekarenaTIM RABEARIVELO : SAZIO IZAY MANAO HADALANA KA MANARATSY ENDRIKA NY HAFA▪️TSY NY MPAMPIANATRA ‚ MPANABE REHETRA KOSA NO RATSY

TIM RABEARIVELO : SAZIO IZAY MANAO HADALANA KA MANARATSY ENDRIKA NY HAFA▪️TSY NY MPAMPIANATRA ‚ MPANABE REHETRA KOSA NO RATSY

TIM RABEARIVELO : SAZIO IZAY MANAO HADALANA KA MANARATSY ENDRIKA NY HAFA▪️TSY NY MPAMPIANATRA ‚ MPANABE REHETRA KOSA NO RATSY

Nivoaka tamin’ny fahanginany i TIM RABEARIVELO ‚ Mpampianatra mpanabe ‚ manana ny maha izy azy sy ny toerany eo amin’ny sehatry ny Fanabeazana sady Ray aman-dReny ato amin’ny faritra Sofia.
(Miala tsiny mialoha raha somary lavalava)
Manoloana ireo fampielezana tsy ankiato « matraquage » eto amin’ny tambazotran-tserasera sy ny hainao aman-jery samihafa ny tranga izay misy ao Antsohihy, dia mba tiako ihany ny hisintona ny saintsika mianakavy arak’izao manaraka izao.
Tsy hoe: amin’ny maha mpampianatra mpanabe, sy ny maha zanaka mpampianatra mpanabe ny tenako no itondrako izao fanehoankevitra izao, fa amin’ny maha raiamandreny ny mpianatra ihany koa.
Ekena fa tsy mety, ary heloka bevava sy mamoafady eo amin’ny tontolony asa fanabeazana ny fanapotehana ny mpianatra amin’ny endriny rehetra.
Misy tompon’andraikitra mpiahy azy ny fandikan-dalana eto amintsika, dia ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana izany.
Ny zavatra tsapa, mahakasika ity raharaha ity dia lasa hoatrany tranga iray nahafahan’ny besinimaro manivaiva, manasoketa ary manompa mihitsy aza ny mpampianatra mpanabe ity tranga iray ao Antsohihy ity.
Mety mahafinaritra atsika mianakavy ny mahita ireo teny mandratra, mahakivy, manompa, manivaiva ….sns; izay ataon’ny mpanara-baovao ny mpampianatra mpanabe amin’ny tranga toy izao.
Tsy omena tsiny isika satria ny fo hono rano mafana.
Na izany na tsy izany anefa, dia tadidio fa misy akony lehibe amin’ny mpampianatra mpanabe, indrindra izay mba miezaka manao ny asany araka ny tokony ho izy izao toe-javatra izao.
Mahatsiaro ho menatra, kivy, matahotra, reraka, izahay mpanabe, satria hoatrany efa maro loatra ny teny tsy voalanjalanja izay ataontsika, indrindra fa ny mpisehatra ato amin’ny fb mahakasika anay.
Mizaka ny tsy eran’ny ainy tompoko ny mpampianatra mpanabe, noho ny karama raisiny tsizarizary, zara raha mahavelona ny ankohonanay; kanefa izy ireo no miantoka ny maha olom-banona ny taranatsika.
Tsy ny mpampianatra mpanabe rehetra tompoko no adala, ka aoka mba tsy ho lotovina sy helohina ary ompaina izy rehetra.
Sahirana ihany isika raiamandreny raha toa ka ho lasa olona tsy misy dikany amin’ireo zanatsika intsony ireo mpampianatra mpanabe izay mpitaiza azy ireo, miresaka aminy amin’ny fotoana lava mihoatra atsika RD niteraka, noho ny fanomboantsika azy ireo eto amin’ny hazo fijalian’ny fb.
Matoa isika mianakavy afaka maneho hevitra, na dia somary tsy voahevitra aza ny sasantsasany amin’izy ireny eto amin’ny tambazotran-tserasera; dia inoako fa misy andraikitra izay noraisiny mpampianatra ihany izany. Tsy hisy dikany amintsika mantsy izay zava-miely eto raha toa ka tsy nisy ezaka nataony mpampianatra mba nahaizantsika nanoratra sy namaky teny.
Fehiny : Izaho manokana, dia mifona sy miala tsiny indrindra tompoko aminareo mpianatra, raiamandreny, ny vahoaka malagasy manontolo izay mety hahita izao fanehoan-kevitro izao; fa misy tokoa ireo mpampianatra izay tena manalabaraka ny « corps » nay, noho ireo fihetsika mifanohitra amin’ny soatoavina maha mpanabe, izay ataon’izy ereo.
Miangavy isika mianakavy mba tsy hanivaiva, hanaratsy, hanompa be fahatany ny mpampianatra mpanabe amin’ny ankapobeny fa mahatsiaro menatra izahay, indrindra eo anatrehan’ireo zanakay sy ireo mpianatra izay anto-pisianay.
Asa sarotra sy masina tompoko ny asa fampianarana sy fanabeazana ka tsy hiambo hahavita izany samy irery izahay, raha tsy tohananareo mpiara-belona aminay.
Ho antsika mpampianatra mpanabe rehetra tsy ankanava : hajao ny tenantsika, ny asantsika, ny mpiara-belona amintsika mba hahafahan’olona manaja atsika ihany koa.
Ho anareo tompon’andraikitra isan-tsokajiny: sazio izay manao hadalana sy mangala baraka ny asany fa manaratsy endrika ny hafa.
Am-panetrentena tompoko, 🙏🙏🙏
♦️ Io no nambarany tao amin’ny kaonty «Facebook» androany momba ny raharaha mahoraka ato amin’ny faritra.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment