a
FandraisanaVaovaom-paritraLEANJA PORT BERGER : TENA DAHALO TOKOA VE ILAY NOVONOINA TAO AMBONDROMAMY

LEANJA PORT BERGER : TENA DAHALO TOKOA VE ILAY NOVONOINA TAO AMBONDROMAMY

LEANJA PORT BERGER : TENA DAHALO TOKOA VE ILAY NOVONOINA TAO AMBONDROMAMY

Matimaty fahatany ny fianakavian’olona sasany raha tsy misy fanadihadiana lalina na miantehitra amin’ny baiko ara-politika ireo tompon’andraikitra ara-panjakana na manampahefana eo ampanatanterahana ny asany . Ny 23 jona 2022 teo dia nisy olona roa maty novonon’olona tao amin’ny fokontany Ambondromamy ‚ kaominina Leanja Distrikan’i Port Berger faritra Sofia.

 Raha ny tatitra azo avy tamin’ny komandiny Borigadin’ny Leanja dia dahalo efa mpamerin-keloka sy efa malaza ratsy amin’ny halatr’omby ity maty novonon’olona ity . Nohamafisiny solombavam-bahoaka voafidy tao Boriziny izany fa fokonolona an-drivony no niara nisalahy ‚ namono ireto olona roa voalaza ho dahalo rain-dahiny ireto rehefa namaly tamin’ny tora-bato izy ireo ‚ voalaza fa avy nanao fanafihana olona mitoka-monina eny antsaha ( mijôgno ) ireto olona ireto ‚ nofatoran’izy ireo tady ny vatany Ramatoa iray nitoka-monina io hatramin’ny vavany ary lasa nandositra izy ireo rehefa nandre ny alika nivovo ‚ raha ny fanazavana.

Tatitra diso sy namboaboarina mba handotoana sy afahana manameloka ny anadahinay sy rahalahinay ‚ io tonga tamin’ny solombavam-bahoaka sy nataony zandary ao Leanja io ‚ raha ny fanazavana nataony fianakaviany maty . Voalaza fa tsy nanadihady lalina ary tsy nitondra mpitsabo akory ilay zandary nanao fitsirihana teny ifotony nandritra ny fotoana nisiany tranga ‚ tsy naka sary ihany koa fa nilaza ho lany “charge” ny findainy ‚ nomen’olona fitaovana afahana maka sary mba hanaporofoana ny fisiana trangana vonon’olona fa tsy nandray ilay zandary miasa ao Leanja ka nampametra-panontaniana ireo fianakaviana sahady izany fihetsika sady feno havonavona nasehony izany . Ankoatrizay dia nolazain’ilay CB fa efa mpamerin-keloka sy fanta-daza amin’ny halatr’omby sy fanafihana ity maty ity araka ny tatitra nataony.

Olona madio ny havanay ‚ tsy mbola nisazy na nisy raharaha momba ny halatr’omby nahavoasaringotra azy fa raha misy izany avoahy ny porofo maha mpamerin-keloka azy sy maha fanta-daza sy ela nikarohana azy tamin’ny halatr’omby sy fanafihana izany ! fa tsy manaiky izahay ary manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana mahefa ny hanaovana fanadihadiana lalina ao Ambondromamy izay nisy havanay maty sy Ambodimanary izay misy olona namono ny havanay ‚ efa nisy ny fitoriana sy fitarainana nataonay teny amin’ny fitsarana . Nandefa « soit-transmis » tany amin’ny GAPJ ( Groupe d’appui de la Police Judiciaire : Recherche criminelles ) ny fampanoavana ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Port Berger.

 Olona telo amin’ireo olona 06 notorinay efa teny ampelatanan’ireo zandary nanao ny asany tany Angodogno ary mbola an-dalana hody nitondra ireo olona ireo ny zandary sy ireo anadahinay telo ‚ nanaraka avy any ny fokonolona maro andeha handrava ireo olona telo ireo ampelatanany zandary ‚ nolazain’ireto fokonolona ireto fa zandary sandoka ireto tonga naka olona mba atao fanadihadiana ireto ‚ Hoy ireo tompon-kavana maty nitondra fanazavana . Ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa ny lehiben’ny fokontany any an-toerana no nampiely fa zah misy zandary sandoka tonga tao aminy ary nisambotra olona sy nitondra olona ‚ ity farany moa nasaina nitady ireo olona mbola tadiavina saingy tsy niverina ‚ ka voatery nandeha niaraka tamin’ireo olona efa azony ny zandary . Ny lehiben’ny fokontany ihany koa no voalaza ho nandefa tatitra diso tany amin’ny solombavam-bahoaka ka nahatonga ny solombavam-bahoaka nanome baiko amin’ny tsy tokony hitondrana ireo olona efa teny amin’ny zandary . Navotsotra moa ireo olona voasambotra avy eo ary nody ireo zandary ‚ nosamboriny fokonolona sy nofatorana tady ihany koa ireo telo nitondra zandary tao an-tanàna voalaza fa anisan’ireo nanafika ny Renim-pianakaviana nitoka-monina ary nohentina natolotra zandary ao amin’ny kopanian’ny Boriziny ireo tompon-kavana maty mba hatao famotorana ary kasaina ahiditra am-ponja raha ny fanirian’izy ireo ? ny farany herinandro teo.

Nandalo teto amiko ilay anadahiko mialohan’izy hody any Ambodimanary izay misy tranony sy nanambadiany ary niterahany zanany roa 08 taona ny iray ary 05 taona kosa ny iray . Nilaza ny hamonjy alim-pandihizana ao Ambondromamy ( 12 km mehery miala Ambondromasina ‚ kaominina Ambodisakoana ) izy tamin’izay tokony tamin’ny 06 Ora hariva ‚ niaraka tamin’ny namany sady nividy lamba vaovao hoentina hamonjy lanonana . 1km ny elanelany fokontany misy ny tranony ao Ambodimanary sy Ambondromamy izay misy lanonana ( alim-pandihizana ) tombanana ho amin’ny 09 Ora alina izy miditra any Ambodimanary izay misy tranony na koa tonga any Ambondromamy izay misy ny lanonana . Nivantana tamin’ny tranon’olona efa fankazatra azy izy sy ny namany mba hiandry fotoana fanombohany alim-pandihizana . Nandritran’izany no nisy olona tonga tampoka sady tsy nampoizina nilaza hangataka rano ny andro alina aveo nandeha ‚ minitra vitsy taorian’izay no avy ireo olona miady tany aminy ‚ nisintona azy nivoaka ary namirafira azy teo antokotany ary namatotra ilay namany tamin’ny tady raha vaky nandositra kosa ilay vehivavy tompon-trano ‚ niantso vonjy ary tonga avy tany ny vadin-dravehivavy tompon-trano nivantanana ‚ efa maty votetitekika koa ny iray tamin’io fandrao hamoaka hamoaka tsy ambaratelo ‚ nofatoran’ireo olona tady ihany koa ilay lehilahy tompon-trano ‚ taorian’izany vao nanao filazam-baovao ho nahafaty dahalo izy ireo aveo vory maro ny fokonolona‚ araka ny fanazavana.

Ady tany no niandohany olana ary efa matetika manao izay hamelezana ity lehilahy maty ity ireo miady tany aminy ‚ efa nisy fotoana nasiana gana maty tao amin’ny toerana misy ny tsabony mba handotoana ilay rangahy saingy tsy tao an-toerana izy tamin’izany ka very anjavony ny ezaka nataon’izy ireo ‚ izao nolazaina fa nanolana sy nanafika vehivavy efa nahazo taona izay vadin’olona miady tany aminy ihany anefa ‚ raha tena nisy tokoa ilay fanafihana tamin’io andro io , mbola sahy nijanona teo ihany ve ilay havanay ? Raha tena mpamerin-keloka sy efa fanta-daza ‚ maninona tsy nosamborina izy mivezivezy eny matetika ary tsy mbola ré nigadra mihitsy fa fialonana ny betsaka ! Avelao malalaka ny fitsarana sy ny mpitandro filaminana hanao ny asany mba ahafantarana ny tena zava-misy marina fa aza asiana tsindry ara-politika ‚ hoy ireo fianakaviana tompon-kavana manaitra ny fitondram-panjakana mahefa ary mitaky fanadihadiana lalina ary fandraisana fepetra amin’ireo mpamono olona . Arahintsika eto ihany ny mety ho tohiny.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment