ANTSOHIHY : TSY MBOLA MANANA FITAOVANA HANAOVANA VONJY VOINA AMIN’NY AFO ( POMPIERS )
Diso fanantenana ny vahoaka maro sady kivy raha nahita ity fiara be menamena mijanona sy tsy nampiasaina nandritra ny fotoana nampiredareda ny afo tao Ambalabe antsinana ny alarobia 05 Oktobra 2022 teo . Haingony birao fotsiny ve sa inona ny mety ho antony tsy nampiasana azy? Hoy ny rehetra mametra-panontaniana.
Ny fanadihadiana natao no nahazahoana ny valim-panontaniana mampanitikitika ny saim-bahoaka ireo . Tsy fitaovana famonoana afo ( pompiers ) ity miloko menamena ity fa fitaovana manampy sy handraisana olona tavela eny ambony rihana ( étage ) rehefa misy ny hay trano ‚ na koa ampiasaina rehefa mamono afo miaraka amin’ny fitaovana manokana natokana ho amin’izany ( citerne ) amin’ny toerana avo . Tsy fitaovana famonoana afo velively ity natolotry ny fitondram-panjakana foibe tamin’ny fitondrana teo aloha ‚ taona 2017 ity fa haingona birao fotsiny ? Raha ny fanazavana.