BEALANANA : ZAZA MIISA 08 AHIANA HO MPITONDRA ARETINA “ PESTE ” AO AMBARARATIN’I SOFIA
5 amin’ireo zaza 08 izay nahitana fambara aretina “ peste ” no mbola manaraka fitsaboana hatreto ‚ Efa nalefa nody kosa ny 03 fanampiny raha ny loharanom-baovao voarainay hatreto . Zaza latsaky ny 15 taona avokoa izy ireo ‚ nahitana tangiky ( ganglions ) teo amin’ny manodidina ny valahan’izy ireo kanefa tsy misy ratra na zavatra nanjohy azy ka mety hitondra izany tangiky izany.
Ahiana ho mitondra aretina « peste » ireo ankizy 08 ireo raha ny tatitra voaray avy any an-toerana ‚ efa misy ny fitsirihana sy fanadihadiana nataony mpitsabo izay miaramiasa amin’ny “ institutie pasteur ” ‚ aorian’izay vao afaka milaza fa tena « peste » tokoa na tsia ny mahazo ireo ankizy . Ampy ihany koa ny fanafody iatrehana izany any an-toerana fa ny fiara mpitatitra marary ( Ambulance ) raha sendra misy fahasarotana no mampanahirana sy tsy ao amin’ny distrikan’i Bealanana izay anaovany mponiny antso avo amin’ireo manampahefana.