RTAO ASSIMINE : NITONDRA FANAMPIANA HOAN’IREO TRABOINA VOKATRY NY HAIN-TRANO
Mbola miaina ao anaty fahasahiranana tanteraka ireo olona traboina vokatry ny hain-trano mahatsiravina niseho tao Ambalabe Est Antsohihy amin’izao . Nisy ny antso fanampiana sy tolo-tànana nataon’izy ireo ary efa nisy ireo namaly ho fampitsinjovana amin’ny maha samy mpiarabelona.
Anisany namaly ny antso nataon’izy ireo Rtoa ASSIMINE ‚ vady navelan-dratompokolahy Antoine dit LEBOJO izay nodimandry vao tsy ela araka ny efa notaterantsika azy teto.
Tsapako ny vesatry ny fahoriana sy fahasahiranana ka izany no nahatonga aho tsy nihambahamba fa nanampy araka izay voatsirambiny tànana na mbola anaty fisaonana aza ‚ hoy izy sady nadefa hiraka ‚ mpikambana ao amin’ny fikambanana VEHIVAVY TIA FANDROSOANA nitondra izany fanampiana ‚ vary amin’ny gony omaly 06 Oktobra 2022.