a
FandraisanaVaovaom-paritraFANADALANA MPIANATRA AO AMIN’NY SEKOLIM-PINOANA IRAY ETO ANTSOHIHY : NAROVANY TALEN-TSEKOLY ILAY MPAMPIANATRA FANATANJAHAN-TENA NAMOA-DOZA

FANADALANA MPIANATRA AO AMIN’NY SEKOLIM-PINOANA IRAY ETO ANTSOHIHY : NAROVANY TALEN-TSEKOLY ILAY MPAMPIANATRA FANATANJAHAN-TENA NAMOA-DOZA

FANADALANA MPIANATRA AO AMIN’NY SEKOLIM-PINOANA IRAY ETO ANTSOHIHY : NAROVANY TALEN-TSEKOLY ILAY MPAMPIANATRA FANATANJAHAN-TENA NAMOA-DOZA

Efa fantam-poko fatam-pirenena ny zava-misy ao amin’io sekolim-pinoana manana ny lazany eto Antsohihy io ankehitriny ary efa mahoraka an-tanàna fa ny mahatalanjona ny mpanara-baovao ilay talen-tsekoly milaza fa tsy mbola nahare izany tranga izany ‚ rehefa nanontaniany mpanao gazety momba ny fepetra noraisina amin’ilay mpampianatra taranja fanatanjahan-tena manadala sy mandrahona ary mampihorohoro mpianatra any an-tsekoly io . Efa nisy moa ny fampahafantarana nataony Ray aman-drenin’ilay zaza tamin’io tompon’andraikitra io raha ny loharanom-baovao.

Midika ve izany fa mpiray tsikombakomba amin’ilay mpampianatra namoa-doza ilay talen-tsekoly ? Sa izy mihitsy no mamporisika ilay mpampianatra hanadala zaza tsy ampy taona ao an-tsekoly ? Fanontaniana apetrakin’ny mpanara-baovao . Ankoatrizay ‚ mbola nanao teny fampitandremana mpanao gazety nanadihady ny tranga teny ifotony ihany koa ilay talen-tsekoly.

 Efa matetika hita amin’io sekoly io ny tranga tahaka izao saingy ilay zaza mpianatra ihany no voaroaka sy voatery mifindra toerana hianarana fa ilay mpampianatra manohy ny asa ratsiny hatrany ary arovana mafy ?

Mazava moa nambarany Ray aman-dReniny Zaza lasibatra fa tsy hanaiky mora ary hitondra ny raharaha eny amin’ny fitsarana raha tsy handray fepetra matotra ny talen-tsekoly sy ireo Ray aman-dReny ara-pinoana izay miahy ity sekoly ity.

Santionany amin’ireo sakafom-panahy hamahanan’ilay mpanabe ara-panatanjahan-tena ny mpianatra ireto hitan-tsika amin’ny sary ireto : Hoaninao kokondelo ( Tain-delo ) ‚ Hoaninao kandrodro ( tanalahy ) …‼️❌
Andrasana ny tohin-draharaha izay miha mafana…
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment