a
FandraisanaVaovaom-paritraANTSOHIHY : FANARARAOTANA ARA-NOFO ATAONY MPAMPIANATRA ANY AN-TSEKOLY▪️ZAZAVAVY 17 TAONA LASIBATRA ‚ NIHANJAKA TAO AMPIANARA

ANTSOHIHY : FANARARAOTANA ARA-NOFO ATAONY MPAMPIANATRA ANY AN-TSEKOLY▪️ZAZAVAVY 17 TAONA LASIBATRA ‚ NIHANJAKA TAO AMPIANARA

ANTSOHIHY : FANARARAOTANA ARA-NOFO ATAONY MPAMPIANATRA ANY AN-TSEKOLY▪️ZAZAVAVY 17 TAONA LASIBATRA ‚ NIHANJAKA TAO AMPIANARA

 Tsy tana tao ampianarana ilay zazavavy kely 17taona ‚ rehefa nisaronany fanahy hafa ka nihanjaka ( nihetsika ‚ sahala amin’ny ipetrahany ampanjaka na misy zavatra mipetraka ) omaly 05 Oktobra 2022 . Nikasa hidaroka ilay mpampianatra voalaza ho nandrahona ilay zazavavy hiaraka aminy ity zavatra nipetraka tamin’ny zazavavy ity raha ny fanazavana saingy voatazona ihany izy aveo rehefa nifamonjeny mpampianatra maro tao amin’ny sekolim-pinoana manana ny lazany iray eto Antsohihy.

Mpampianatra taranja fanatanjahan-tena ao amin’ilay sekoly io voatondro ho mandrahona sy manery zazavavy mpianatra hiaraka aminy io ‚ efa hatramin’ny kilasy Taona faha-08 ( 4ème ) ‚ izany hoe nanomboka ilay zazavavy 14 taona no efa nisarangotin’ity mpampianatra fanatanjahan-tena ity ‚ teny tsy voahevitra maro no alefany sy asesiseny nanasana‚ nandemena ny ati-dohan’ilay Zaza saingy tsy nanaiky hatramin’ny fariny ilay zazakely ‚ hoy ny fanazavana voaray.

Tezitra noho io fanevatevana sy fanelingelenana amin’ny fianarana miampy fampihorohoroana sy fandrahonana ataony mpampianatra taranja fanatanjahan-tena io ny Razaben’ilay Zaza ka niditra tampoka tao aminy mba haneho ny alahelony .
« Izaho dia Raibeny ( dadilahiny ‚ Ray niteraka dadilahiny izay niteraka babany ) ‚ malahelo izahay amin’ny zavatra ataony mpampianatra amin’ny taranakay ka izao tonga izao . Nilaza ho andray fepetra ny talen-tsekoly ‚ andraso izany fepetra ho raisiny izany dia ho hitan-tsika eo ny tohiny fa aza afindra toerana ianarana ilay zaza fa ajonony ao ‚ reko ny fandrahonana sy vava alefan’io mpampianatra io ( misafidy ianareo na izaho mpampianatra na izy miala ato fa izaho tsy ampianatra azy ) ka noho izany ‚ rehefa tsy handray fepetra ilay talen-tsekoly ‚ alefaso ny fitorohana any amin’ny tompon’andraika mahefa ahafantarany azy fa izaho eo hatrany miaro ity zaza ity ‚ hoy ilay zavatra nisarona taminy nandefa hafatra mba tsy hamelana ilay tranga ho vita mora.

Tomany ny Ray sy Renin’ity zazavavy kely ity raha nahita ny zava manjohy ny zanany ary nitolefika ‚ nalemy tanteraka . Nilaza ny hitondra ny raharaha eo anivon’ny fitsarana izy ireo raha tsy misy fanapahan-kevitra matotra ifampiresahany telo tonta ( mpampianatra fanatanjahan-tena voalaza io ‚ ny talen-tsekoly ary ny Ray aman-dReny

Voalaza fa efa betsaka ny tovovavy efa nanaovan’ity mpampianatra ity io tranga io raha ny loharanom-baovao ary efa mampitaraina sy mampitseky ilay zazavavy amin’andavan’andro izany ‚ izao niafara amin’ny tranga hafahafa ity . Arahintsika eto ny mety ho tohiny fa misy ireo mpanabe sy mpampianatra ‚ mikiry mafy mba hahatafita ny zaza beaziny sy ampianariny fa misy kosa fanetriben’ny firenena ‚ hanapotika zanak’olona sy hanampatra ny filàn-dratsiny an-kerisetra ihany no masaka ao an-dohany.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment