a
FandraisanaVaovaom-paritraANTSOHIHY : TRANO AMPOLONY SY FIARA ARY FITAOVANA MARO▪️MAY KILA FOREHITRA

ANTSOHIHY : TRANO AMPOLONY SY FIARA ARY FITAOVANA MARO▪️MAY KILA FOREHITRA

ANTSOHIHY : TRANO AMPOLONY SY FIARA ARY FITAOVANA MARO▪️MAY KILA FOREHITRA

Nanjavo ‚ nivadika ho lavenona tao anaty adiny roa ‚ ireo fanana ( trano ‚ fiara ‚ fitaovana fiasana ‚ kojakoja maro isan-karazany … ) tao Ambalabe Est ‚ amin’ny toerana misy mpandrafitra hazo akaiky ny toeram-piantsonana taxi-be ( Parikazy BUS ) ‚ Antsohihy tokony ho mitatao vovonana teo ‚ androany 05 Oktobra 2022.

Tombana ho « court-circuit » avy amin’ny andrin-jiro manodidina ilay toerana no nahatonga ny loza ‚ raha ny fanazavana nataon’ireo nanatri-maso ny tranga . Efa nisy ny fanairana nataon’olona iray mitaiza kely fony mbola bitika ny afo saingy tsy rototra namono izany ny fokonolona manodidina teo ‚ raha ny fanazavana . Tsy fisiany mpamonjy voina ( pompiers ) eto Antsohihy no tena lesoka lehibe rehefa misy afo tahaka izao dia mihitatra ihany ary amoizana fananana maro ka miantso ireo manampahefana mba hamaha izany olana izany fa efa an-taonany maro no nangatahana saingy tsy misy valiny hoy ny fokonolona naneho ny heviny sady malahelo amin’ny zava-mitranga.

Tany an-toerana ‚ nanampy tamin’ny famonoana afo ireo tompon’andraikitra ara-panjakana sy ny fokonolona maro . Voafehy ny afo rehefa nandoro sy namotika fananan’olona nohariany ampolo taonany maro.
🙏 Nisesisesy ny loza tatoato teto Antsohihy . Mankahery ireo traboina.🙏
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment