a
FandraisanaToekarenaDEPIOTE PAULBERT : TSY MAMPISY OLANA AMIN’OLONA MADIO NY FIARAHAMIASANAY SY MINISITRA SOAFILIRA

DEPIOTE PAULBERT : TSY MAMPISY OLANA AMIN’OLONA MADIO NY FIARAHAMIASANAY SY MINISITRA SOAFILIRA

DEPIOTE PAULBERT : TSY MAMPISY OLANA AMIN’OLONA MADIO NY FIARAHAMIASANAY SY MINISITRA SOAFILIRA

 Amin’ny maha filohan’ny vondrona parlemantera IRD ny tenako izay manohana ny filoha Andry Rajoelina dia rariny raha mitandro ny firaisankina eo amin’ny samy solombavam-bahoaka sy ny mpikambana eo anivon’ny Governemanta ‚ namonjy ny andro iraisam-pirenena hoan’ny zokiolona tao Mandritsara ny tenako sy ny Minisitry ny mponina izay miahy manokana ireo zokiolona . Tsy hafahafa izany ary tsy hitako izay olana fa madio ny foko ‚ raha olona madio fo ihany koa ‚ tsy tokony hametraka ahiahy na zavatra hafa manoloana izany.

 Anisan’olona miasa ary tena manao ny ainy tsy ho zavatra sy ezaka rehetra amin’ny fampandrosoana ny Minisitry ny mponina ka rariny raha manohana azy aho ; Ny filoham-pirenena rahateo nametraka azy teo ka mba tokony hitana ny teny nomeny ny solombavam-bahoaka izay manohana ny filoha Andry Rajoelina ‚ fomba ahoana moa no anilihany ny Minisitra Soafilira ao anatin’ny Governemanta ? Tsy mametraka zavatra hafa eo aminay samy solombavam-bahoaka ato amin’ny faritra Sofia izany raha ny fahitako azy ‚ milamina ny saiko ‚ madio ny foko.

 Ireo ny ampahany fanazavana nataony solombavam-bahoaka Velontsara PaulBert ‚ voafidy tao Boriziny omaly 04 Oktobra 2022 ‚ raha nanontaniany mpanao gazety momba ny fiarahamiasany amin’ny Minisitra Soafilira Princia.

Mazava araka izany ny lalan’ny solombavam-bahoaka voafidy tao Boriziny sady filohan’ny vondrona parlemantera IRD hatreto . Andrasana ny fanehoan-kevitr’ireo solombavam-bahoaka hafa namany izay tsy nitovy hevitra tamin’ny ministra sy ny fanohanana azy teo aloha.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment