ANTSOHIHY : RAHONANA SY TEREN’ILAY MPANABE MBA HANAIKY AZY▪️ILAY TOVOVAVY KELY 17 TAONA
Efa hatramin’ny heritaona no nanindraindra heriny sy nandrahona ary nanao teny kafara tamin’ilay tovovavy kely 17 taona ity anti-dahy mpampianatra sady mpanabe ao amin’ny sekoly tsy miankina iray manana ny lazany eto Antsohihy ity ‚ saingy nandà hatramin’ny fariny ilay zazakely.
Hifankahita isika raha mbola mikiry handà ‚ tsy manaiky hiaraka amiko ianao ‚ izaho rahateo no mitsara sy manome naoty anareo amin’ny Bakalorea sy amin’ny fanadinana ka ho hitanao eo ny tohiny ary tsy ampianatra anao intsony aho ‚ hoy ny fandrahonana nataon’ilay anti-dahy tamin’ilay zazavavikely ? Milaza ho maintomolaly sy tranaina ao amin’ilay sekoly ilay anti-dahy ka tsy misy sahy mikitika azy na ny Talen-tsekoly aza raha ny fanazavana voaray.