ANTSOHIHY : MANAO SESILANY NY FATY OLONA
Mbola tsy sitrana akory ny fery tamin’ireo olona 20 mahery namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivozina an-dranomasina sy ireo fanta-daza zanaka Antsohihy namoy ny ainy volana Septambra 2022 dia fantatra fa nindaosim-pahafatesana ihany koa ilay zaza 05 taona ‚ tra-doza tao Ambalabe ‚ raha nikasa hamonjy fianarana any amin’ny sekolim-pinoana Bekitrobaka.
Fiara Sprinter iray ‚ manana olana ara-teknika izay nohentiny mpamily mpanapy no niala lalana ka nirifatra tamin’ireo ankizy mijanona miandry « BUS » eo amin’ny sisin-dalana ( trottoir ) . Zaza roa naratra mafy ‚ Boraka ny tsinain’ilay zaza kely iray ary tapatapaka ny vatany ‚ ny iray hafa kosa naratra teo amin’ny tongony ka nifamonjena sy nohentina haingana amin’ny hopitaly be Antsohihy.
Tokony ho tamin’ny 09 Ora maraina teo no fantatra namoy ny ainy ilay zaza kely vao 05 taona monja ‚ mbola manaraka fitsaboana kosa ny iray ‚ raha ny fanambarana nataon’ny talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka Sofia.
![🙏](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/t80/1/16/1f64f.png)
![🙏](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/t80/1/16/1f64f.png)