a
FandraisanaNon classéMASINDRAZANA JEANNOT ( Iray amin’ireo HAMBA VAZAHA AO ANANTAKA ) : NINDAOSIM-PAHAFATESANA

MASINDRAZANA JEANNOT ( Iray amin’ireo HAMBA VAZAHA AO ANANTAKA ) : NINDAOSIM-PAHAFATESANA

MASINDRAZANA JEANNOT ( Iray amin’ireo HAMBA VAZAHA AO ANANTAKA ) : NINDAOSIM-PAHAFATESANA

Anisan’ireo olona voatondro ho nanafina sy nampandositra an’ilay dahalo rain-dahiny sady nikoizana tato amin’ny faritra Sofia ( JARISONE dit JERISON ) izy nandritra ny fotoana nanaovana savahao vala mantsina sy fikarohana an’i Jarisone iny ireo hambavazaha ‚ monina sy mipetraka ao Anantaka ‚ CR Antonibe ‚ Distrika Analalava . Lainga niniana nafafy ‚ haratsiam-panahy ‚ kainkay mba hanosoram-potaka azy ireo anefa izany ‚ raha ny fanazavana nataony nandritra ny fotoana nihaonanay taminy.

Nilamina moa iny raharaha iny aveo rehefa nohentina teo anatrehany manampahefana . Izao maraina izao indray no nahazo vaovao avy tamin’ny fianakaviana izahay fa nodimandry noho ny aretina nahazo azy ‚ na efa nialana nenina tany Ankazambo ny iray amin’izy ireo dia MASINDRAZANA JEANNOT ‚ ilay zoky hitantsika eto amin’ny sary . Ho entina any Anantaka ny nofo mangatsikan’itompokolahy ny talata 04 Oktobra 2022 izao raha tsy misy fihovana ‚ Ao Tsaramandroso Antsohihy kosa no andrasana ny nofo mangatsikany androany sy rahampitso.
🙏 Mirary fihonona feno ary mankahery ny fianakaviana manontolo fa indrindra ilay rahalahiny kambana aminy isika.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment