a
FandraisanaVaovaom-paritraBAIE DE BALY ANKARAFANTSIKA ‚ MAHAJANGA : EFA HO 05 ANDRO MAHERY NAMONOANA AFO TAO ANATINY SAINGY MBOLA TSY VOAFEHY HATRAMIN’IZAO

BAIE DE BALY ANKARAFANTSIKA ‚ MAHAJANGA : EFA HO 05 ANDRO MAHERY NAMONOANA AFO TAO ANATINY SAINGY MBOLA TSY VOAFEHY HATRAMIN’IZAO

BAIE DE BALY ANKARAFANTSIKA ‚ MAHAJANGA : EFA HO 05 ANDRO MAHERY NAMONOANA AFO TAO ANATINY SAINGY MBOLA TSY VOAFEHY HATRAMIN’IZAO

Tafakatra hatramin’ny 12 metatra ny ahavon’ny afo miedareda ‚ nanomboka ny 22 Septambra teo ‚ hita ao amin’ny valanjavabohary arovana BAIE DE BALY ANKARAFANTSIKA ‚ Soalala Mahajanga . Ny hamafin’ny rivotra amoron-driaka sy fahabetsahan’ireo zava-maniry mora mirehitra ( Alana bambou ) ary ireo zava-maniry lavo sy maina rehefa nandalovan’ny rivo-doza farany teo no tena mampanano sarotra ireo tompon’andraikitra maro tsy voatan’isa sy olom-pirenena manampy amin’ny famonoana ny afo . Tsy voalaza mazava hatreto ny antony voalohany‚ nahatonga ny afo.

Ho tapitra ringana avokoa ny valanjavabohary arovana ‚ izay anisany mampiavaka an’i Madagasikara ‚ raha mitohitohy ny tranga tahaka izao . Tokony samy ho sarotony ny olom-pirenena tsirairay ary samy tokony handray andraikitra tandrify azy ho fitsinjovana ny taranaka fara mandimby.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment