a
FandraisanaVaovaom-paritraANTANAMBAO MANAMPOTSY : OLONA TELO TRATRA NANGALATRA TAOLAM-PATY▪️MATY NIHARANY HATEZERAM-BAHOAKA

ANTANAMBAO MANAMPOTSY : OLONA TELO TRATRA NANGALATRA TAOLAM-PATY▪️MATY NIHARANY HATEZERAM-BAHOAKA

ANTANAMBAO MANAMPOTSY : OLONA TELO TRATRA NANGALATRA TAOLAM-PATY▪️MATY NIHARANY HATEZERAM-BAHOAKA

Olona efatra 04 no volazan’ny fokonolona fa tratra nangalatra taolam-paty tao Antanambao Manampotsy androany 29 Septambra 2022 . Roa tamin’izy ireo tratra ambodiomby raha tafaporitsaka kosa ny roa hafa izay naman’izy ireo.

Novonon’ny fokonolona tsy nasiana antra avy hatrany ny iray tamin’ireo tratra ambodiomby ‚ mbola nohadihadiana nanontaniana ireo namany kosa ny iray izay nanondro mpandraharaha iray efa malaza ratsy amin’ny resaka halatra taolam-paty ao an-tanàna . Novonoina nampanarahina ny namany ilay rangahy rehefa nilaza ireo ekipany mpanao afera maizina aminy.

 Raikitra ny fikarohana ilay mpandraharaha teny an-tranony saingy tsy tratra tao izy fa lasa nandositra ‚ norobain’ny fokonolona ny fananany ary nanohy ny fanarahan-dia ireo olona roa tafaporitsaka ny fokonolona sasany aveo.

Tratra ny iray tamin’izy roa tafaporitsaka ka maty novonon’ny fokonolona raha mbola karohina ny iray hafa ‚ miaraka amin’ilay mpandraharaha iray voatonona ho mpiaramiasa amin’izy ireo manao ny afera maloto.

Tsy nitondra ny raharaha teny anivon’ny fitsarana intsony ireo fokonolona izay romotra sy tezitra mafy amin’ny tsy fandriampahalemana misy . Velona misy mangalatra ny voamaso ‚ tova ‚ maka an-keriny ‚ maty mbola misy mangalatra ihany koa ny taolam-paty ‚ ny fananana ( omby ‚ vorona ‚ … ) Fanafihana tsy lazaina intsony eto Madagasikara tatoato.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment