a
FandraisanaVaovaom-paritraANTSOHIHY : MISESISESY NY FATY OLONA

ANTSOHIHY : MISESISESY NY FATY OLONA

ANTSOHIHY : MISESISESY NY FATY OLONA

Mety ho hisy antony manokana ve ? Hoy ny mponina mametra-panontaniana manoloana ny faty olona nisesisesy tatoato taorian’ireo olona 20 mahery namoy ny ainy vokatry ny loza an-dranomasina tao Ampondrabe ny 11 Septambra 2022 teo.

Ankoatran’ireo efa notaterantsika dia fantatra fa nodimandry androany 27 Septambra 2022 tao amin’ny Hôpital be Antsohihy ‚ itompokovavy RASOANANYENAINA ELISIANNE ‚ Tovovavy tombanana ho 25 taona ‚ mitaiza kely 02 volana ary manan-janaka 05 taona monina sy mipetraka ao Ambalapamba . Namela kamboty roa araka izany izy.

Andrasana ao Drawa ‚ fokontany Ambalabe Ouest akaikin’ny “ Hôtel le Paradiser ”ny nofo mangatsikany manomboka androany . Mirary fiononana sy mankahery ny fianakaviana fa indrindra ny vady andefomandriny ary ireo zanany izay namoy Reny anatin’ny fahazazana🙏
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment