a
FandraisanaSosialyANTSOHIHY : NITONDRA TENY FAMPAHEREZANA NY FIANAKAVIAN’ITOMPOKOLAHY ANTOINE DIT LEBOJO IREO TOMPON’ANDRAIKITRA ARA-PANJAKANA

ANTSOHIHY : NITONDRA TENY FAMPAHEREZANA NY FIANAKAVIAN’ITOMPOKOLAHY ANTOINE DIT LEBOJO IREO TOMPON’ANDRAIKITRA ARA-PANJAKANA

ANTSOHIHY : NITONDRA TENY FAMPAHEREZANA NY FIANAKAVIAN’ITOMPOKOLAHY ANTOINE DIT LEBOJO IREO TOMPON’ANDRAIKITRA ARA-PANJAKANA

Nitarika ireo mpiaramiasa aminy ‚ sy ireo lehiben’ny sampandraharaha maro ato amin’ny faritra Sofia ‚ nanontrona sy nitondra teny fampaherezana ny fianakavian’itompokolahy ANTOINE dit LEBOJO ‚ ny Jeneraly Lylyson ‚ Governoran’ny faritra Sofia sy ny lehiben’ny Prefektiora Antsohihy Naryson Roch Léopold ary ny solombavam-bahoaka voafidy tao Analalava Djaossera Irénée androany 26 Septambra 2022 . Raha efa nahavita ny famangiana sy fampaherezana omaly aliny ny mpanao gazety sy mpiasa eo anivon’ny haino vaky jery eto Antsohihy.

Anisany nahavita be tato amin’ny faritra izy mivady ary nametraka tantara amin’ny fampandrosoana ihany koa ‚ raha tsy hilaza afa tsy ny fanamboarana GYMNASE MANARAPENITRA izay andalam-pamitana ao Bekitrobaka.

Ny alarobia 28 Septambra 2022 tolakandro izao no hanatanterahana ny fanitrihana ny nofo mangatsikan’itompokolahy ANTOINE dit LEBOJO ao Ankiririky ( anaty lakorony ) ihany ‚ hafatra napetrany raha tsy misy fihovana . Mirary azy handry ampiadanana 🙏
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment