a
FandraisanaKolontsaina sy TalentaANTSOHIHY : MANJOMBONA TANTERAKA NY RAHONA

ANTSOHIHY : MANJOMBONA TANTERAKA NY RAHONA

ANTSOHIHY : MANJOMBONA TANTERAKA NY RAHONA

Ny maraina ny 26 Septambra 2022 teo no nigadona teto Antsohihy renivohitry ny faritra Sofia ny nofo mangatsikan’itompokolahy PIERROT BEMOTOMBO ‚ Mpitendry tao amin’ny tarika Jaojoby . Nitsena azy teny Anjiabe 08km tsy hidirana ny tanàna Antsohihy ny fianakaviany sy namany ary mponina maro teto Antsohihy.

Mpanakanto Betsaka no efa nampiany sy niara niasa taminy fony fahavelony ‚ efa tao amin’ny tarika Jean RIGO ‚ Jean Aimé ary izao izy tao amin’ny tarika Jaojoby izao . Manan-talenta amin’ny fitendrena “ clavier ” izy ary betsaka ny tanora nahita soa sy nahazo tombony tamin’izany fahaizany izany.

Any Anjiamangirina ‚ Distrikan’i Antsohihy no hatao ny fandevenana raha tsy misy fiovana . Raha ny vaovao ihany koa dia tera-bao any an-drenivohitra ny zanany vavy . Mankahery ny fianakaviana ary miarahaba ilay zanany vavy nahazo fara mandimby.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment