a
FandraisanaKolontsaina sy TalentaANTSOHIHY : MANJOMBONA NY RAHONA

ANTSOHIHY : MANJOMBONA NY RAHONA

ANTSOHIHY : MANJOMBONA NY RAHONA

Ny tolakandro teo no nigadona teto Antsohihy ny nofo mangatsikan’itompokolahy ANTOINE dit LEBOJO ; vady andefomandrin’ny Ramatoa ASSIMINE ( Filoham-boninahitry ny fikambanana VEHIVAVY TIA FANDROSOANA SOFIA ) ; Ray niteraka an’ny mpanakanto VANEY’S.

Nitsena teny amin’ny Mokonazibe Anjiabe ( Toerana misy Pilone ) sady nanontrona ary nankahery ny fianakaviana ny Jeneraly Lylyson‚ Governoran’ny faritra Sofia sy Naryson Roch Léopold ‚ Lehiben’ny Prefektiora Antsohihy izay nitarika ireo lehiben’ny sampandraharaha ato amin’ny faritra Sofia . Tazana teny ihany koa ny solombavam-bahoaka voafidy teto Antsohihy Rémi dit Jao Jean sy ny solombavam-bahoaka voafidy tao Analalava Djaossera Irénée ary ny vahoaka maro . Andrasana amin’ny tranony ao Ankiririky ny nofo mangatsikany.

Ray aman-dReny tsingom-bolo eo anivon’ny fiarahamonina ‚ nametraka tantara ‚ tia manampy olona ary manana ny maha izy azy ato amin’ny faritra Sofia Itompokolahy Antoine dit LEBOJO ‚ mirary azy handry ampiadanana ary Mankahery ny fianakaviana manamanjo ny « www.presse-aboahoankiaka.mg »
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment