a
FandraisanaNon classéISSOUF AMIZAHA : TANIN’NY DADILAHIKO ‚ TOKONY HO FANANANA LOVAIN’NY BABAKO IO ‚ BODOIN’I MOHAMED AO AMBALABE EST ANTSOHIHY IO

ISSOUF AMIZAHA : TANIN’NY DADILAHIKO ‚ TOKONY HO FANANANA LOVAIN’NY BABAKO IO ‚ BODOIN’I MOHAMED AO AMBALABE EST ANTSOHIHY IO

ISSOUF AMIZAHA : TANIN’NY DADILAHIKO ‚ TOKONY HO FANANANA LOVAIN’NY BABAKO IO ‚ BODOIN’I MOHAMED AO AMBALABE EST ANTSOHIHY IO

Betsaka ireo tsy mahalala ny tantara ka minana ambolony sy manome tsiny be fahitany momba ny raharaha adi-tany misy ao Ambalabe Est Antsohihy ‚ izay bodoin’i Mohamed sy ny zanany io ‚ hoy Issouf AMIZAHA ‚ Zanaka lahy navelan’itompokolahy Hadjee AIBOU ‚ nitondra fanazavana momba ny raharaha adi-tany ‚ miteraka resa-be ato amin’ny faritra Sofia fa indrindra eto Antsohihy.

Raha ny fanazavana dia Tany sy fananana noforonon’i FATOUMA ( dadin’Issouf sy Mohamed ) niaraka tamin’i AIBOU vadiny ( Ray niteraka Hadjee AIBOU ‚ Rain’Issouf ) io tany iadivana ao Ambalabe Est io.

Mbola zazakely ny Raiko , HADJEE AIBOU dia efa nodimandry ny Raibeko ( Dadilahiko ) AIBOU . Nanambady hafa ( DJ…A ‚ Rain’i Mohamed ) i FATOUMA dadiko ka niteraka an’i Mohamed sy ireo rahalahiny avy eo . I Mohamed sy ireo rahalahiny aveo no nanjaka tao anaty tokantrano ‚ voahilikilika ny Raiko tamin’izany satria kamboty ka voatery nalain’ny fianakaviana izy aveo fa izy ireo kosa mbola nipetraka tao amin’ny tany sy trano noharian’i Dadiko sy Dadilahiko tao Ambalabe.

 Betsaka ny fananany Dadilahiko sy Dadiko saingy namidin’i papan’i Mohamed avokoa izany ( Tany eo kaikin’ny Pharmacie d’Antsohihy ‚ Tany teo akaiky ny biraon’ny paositra taloha ‚ ny tanimbary maro any Marosampanana… ) ‚ manao hirika rehetra tsy hanomezana anjara ny Raiko HADJEE AIBOU mihitsy izy sy ny taranany ary papako avy nijery ireo Tany namidiny tao Marosampanana ireo no tra-doza tao Tsiamanagnila ‚ izay nitarika azy tamin’ny fahafatesana . Efa tapitra namidin’izy ireo avokoa ny fananana rehetra fa tsy nahalafo ilay ao Ambalabe dia tsy manana toerana honenana intsony izy sy ny zanany dia nonina tao ary izany no ilazana fa naharitra tokoa izy ireo nipetraka teo ‚ hoy ny fanazavana nataony ISSOUF AMIZAHA ‚ Zanaka lahy nateraky HADJEE AIBOU ‚ zafin’i AIBOU.

 Nodimandry tamin’ny taona 2010 ny Renibeany ( dadainay ) maman’ny papako sy Mohamed . Fotoana vitsy taorian’izany dia nanangana trano ‚ izay hitantsika mijoalajoala amin’izao ao Ambalabe ny zanaky Mohamed . Notoheriko ny fanaovana azy tamin’izany saingy mbola nanohy ihany izy ireo.

Nikarakara taratasy nafahako manohitra izany aho‚ izay hitantsika eto amin’ny sary ary mbola eo ny filoham-pokontany nanao sonia tamin’izany fotoana saingy tsy norarahian’izy ireo izany fa nanohy asa hatrany izy . Ezahin’izy ireo aely fa tsy nanao fanohanana « Opposition » izaho tamin’ny fananganan’izy ireo trano mba hanadiovan-tena . Nanao fanohanana ny tenako fa izy ireo no mafy loha sy tsy laitra tenenina ‚ hoy hatrany ny fanazavana.
( Ho tohizantsika amin’ny lahatsoratra manaraka ny tohiny momba ilay taratasy ( titre ) eo amin’ny ankilany … )
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment