a
FandraisanaToekarenaQUARTIER 106 ‚ ANDOHARANOFOTSY AVARATRA : ADINON’NY MPITONDRA TANTERAKA

QUARTIER 106 ‚ ANDOHARANOFOTSY AVARATRA : ADINON’NY MPITONDRA TANTERAKA

QUARTIER 106 ‚ ANDOHARANOFOTSY AVARATRA : ADINON’NY MPITONDRA TANTERAKA

Nazoto namangy ary nampanantena ingahy Ben’ny tanàna ankehitriny ao Andoharanofotsy nandritra ny fampielezan-kevitra nataony fony tsy mbola lany fa hamboarina sy hatao rari-vato ny lalan-kely izay mampanahirana ny mponina ao amin’ny quartier 106 ‚ Andoharanofotsy avaratra . 03 taona aty aorian’ny fifidianana sy nitondrasan’ilay Ben’ny tanàna dia tsy mbola hita firy nitsidika ilay lalana mila fanamboarana sy fanarenana izy ‚ tsy mbola manomboka ihany koa ny asa ary mihevitra n’y ho adinony mpitondra tanteraka mihitsy ny fisian’ilay fampanantenana nataony ‚ raha ny fanazavana nataony vahoaka eny ifotony.

 Voalaza fa efa nisy taratasy fangatahana nalefan’ny fokonolona ho fangatahana sy fampantsiahivana momba izany ‚ nalefa any amin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina saingy tsy mbola nisy tohiny hatramin’izao ‚ ny fotoam-pahavarana anefa miha atomontra.

Manaitra ny manampahefana ary miantso ireo tompon’andraikitra araka izany ny vahoaka ao an-toerana mba hitodika aminy amin’izay fa indrindra hanatanteraka ilay fampanantenana natao ‚ mba tsy hijanona ho resaben’olona teholany sy tehahazo toerana fotsiny.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment