IZY SA TSY IZY
Betsaka ireo olona taitra fa indrindra ireo mpankafy ny gadona pop sy ny mpanakanto Michael Jackson raha nahita ny seho nataon’i Mandresy ao an-drenivohitra . Izy ve sa tsy izy ? Nahoraka eran-tany fa efa nodimandry ilay andrarezin’ny hip-hop kanefa iza ity tovolahy ity ? Hoy izy ireo manontany tena.
Mandresy izay Malagasy tsy mitampoka ity amin’ny sary ity ‚ fa noho ny fankafizana manokana ny kanto vitan’ilay mpanakanto Amerikanina Michael Jackson no nanosika azy nanao dingana rehetra ‚ hamelomana ny gadona sy hitondrana lazan’ny mpanakanto Michael Jackson indray ‚ mihainga avy aty Madagasikara.
Tsapa ary voaporofo izao fa manan-talenta ny tanora Malagasy ‚ koa dia mankahery ary mirary azy ho tonga amin’ny tanjona hiriana.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.