a
FandraisanaPolitikaANTSOHIHY : RAIKITRA NY ADI-SEZA EO ANIVON’NY SENDIKAN’NY TAXI-VILLE▪️ MIAKATRA NY MARI-PANA

ANTSOHIHY : RAIKITRA NY ADI-SEZA EO ANIVON’NY SENDIKAN’NY TAXI-VILLE▪️ MIAKATRA NY MARI-PANA

ANTSOHIHY : RAIKITRA NY ADI-SEZA EO ANIVON’NY SENDIKAN’NY TAXI-VILLE▪️ MIAKATRA NY MARI-PANA

Ndeha hifaninana amin’ny fifidianana indray raha enjana fa sahy ary vonona aho no mbola matoky tena fa ho lany indray . Tsy izay olona tsy lany tamin’ny fifidianana akory no hanakorontana eto ‚ miandrasa fifidianana !… io ny hafatra mafonja nalefan’Atoa Zizy ‚ Filohan’ny Sendikan’ny TAXI-VILLE eto Antsohihy ‚ manoloana ny samboaravoara misy ao anaty sendika.

Miely ny feo eto an-tanàna fa mbola tamana amin’ny vola be mihodina ao anaty sendikan’ny TAXI-VILLE eto Antsohihy ilay filoha lefitry ny sendika ankehitriny ka mitady hirika mafy ‚ hitaomana ireo mpamily mba hanaraka azy amin’ny fiakambanana vaovao izay noforonony niaraka tamin’ireo ekipany.

Tsiahivina fa vato 60 tamin’ireo vato 77 nataon’ny mpamily dia azon’ingahy Zizy ( filoha amperinasa ) raha 17 monja kosa an’ilay kandida nifaninana taminy izay notendrena ho lefitra avy hatrany nohon’ny fitiavana . Ankehitriny ‚ mizara roa ireo sendika ary samy amin’ny mpitarika azy.

 Tsy sendika io tarihin’i Zizy io fa fiakambanana tsotra sahala aminay ‚ tsy hitako izay olona amin’izy roa izao fa manamafy orina hatrany ny fiarovana ny mpamily ‚ izay Tanjona iraisana ‚ hoy Claude ‚ filohan’ny fikambanana mpamily taxi ( vaovao tsy mbola nandalo fifidianana ) ‚ naneho ny heviny.

Manahy mafy amin’ny mety hisiany fanararaotana ‚ amin’ny fampidirana BAJAJ hiasa eto Antsohihy ny mpamily sasany izay tsy mankasitraka ny fivakisana sy fizarazarana eo amin’ny samy mpamily . Marihina fa 02 taona ihany ny faharetan’ny fitondrana ( mandat ) hoan’ny filohan’ny sendika voasoratra anatin’ny SATA . Arahintsika eto ihany ny mety ho tohiny.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment