BAHOEJY : NOMEN’NY JENERALY LYLYSON TRANO FONENANA MENDRIKA SY FINDAY ARY JIRO MAZAVA
Izy no BAHOEJY ‚ mpamorona sy tompony DIHY BAHOEJY mampiavaka ny faritra Sofia . Notaterantsika teto ny tantara mahonena momba azy sy ny faniriany ny mba hananany trano mateza hitoerany ary ny hisitrahany tombontsoa amin’ny maha mpanakanto azy.
Nandre izany antso izany ny Jeneraly Lylyson René de Rolland ‚ Governoran’ny faritra Sofia sady zanaka Sofia . Nidina ifotony ary nitondra fanampiana maro : JIRO MAZAVA mandeha amin’ny herin’ny masoandro ahitana takamoa efatra ( 4 ampoules ) manazava ny ao anaty trano ‚ JIRO LAMPADAIRE manazava tanàna ‚ FINDAY mba afahan’olona rehetra mifandray sy manampy azy ‚ natomboka androany 23 Septambra 2022 ny fanamboarana TRANO mendrika ho azy ‚ izay mirefy 08 metatra ny halavany ‚ 06 metatra ny ampohiny ( misy efitra 02 sy lakozia ) ary ho tafoina fanitso ; Vita androany ny vato fototra ary efa mandeha ny asa izay ho vitaina ao anaty iray volana sy tapany.

Feno hafaliana ny fokonolona fa indrindra i BAHOEJY sy ny fianakaviany ‚ velom-pisaorana an’i Jeneraly Lylyson – Governoran’ny faritra Sofia . Nisy ny DIHY BAHOEJY nanehoan’i BAHOEJY ny talentany niaraka tamin’ireo ekipany ‚ korodogno sy amponga no nampiasaina nanaovana izany tao Ambohimandririna ‚ kaominina Ambodimandresy – Distrikan’i Antsohihy.